Nanangana fikambanana ny mponina any Besakoa sy Ambohitsabo, hiarovan’izy ireo ny tombontsoany, mba hihainoana ny feony sady hitakiana ny fisokafan’ny orinasa Base Toliara.
Doroky Lovasoa Michael, Fikambanana Vezo Tea Longo (Fivetelo, fikambanana miaro ny tombontsoan’ny mpanjono)
Hamidy any an-tanàn-dehibe ny hazandrano azonay, na koa hohaninay, fa hafa mihitsy raha misy orinasa mividy. Vitsy ny hazandrano ankehitriny, vokatry ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fikorontanan’ny ranomasina. Mila fitaovam-panjonoana maoderina izahay. Efa nanome fanampiana anay ny Base Toliara, nampiofaniny koa mikasika ny fomba familiana fitaovana vaventy, ny fianarana mifehy ny tsena, ny teny vahiny, sns.
Nanohitra ny tetikasa izahay tany am-boalohany, vokatry ny vaovao tsy mari-pototra naely, milaza fa misy fiantraikany amin’ny fahasalamana ny fitrandrahana fasimainty, avy amin’ny « radioactivité ». Diso anefa izany, taorian’ny fitsidihana ny fitrandrahana any Taolagnaro, izay mandroso haingana tokoa ity tanàna ity ankehitriny.
Tsy manakana anay mpanjono Vezo, velively, ny seranan-tsambo haorina any Andaboy. Atsaharo ny lainga, aoka tsy hanaiky ho fitahana sy hampiadiana intsony isika.
Rtoa Nivo, fikambanana Fivami (Fikambanam-behivavy ahitana mpikambana 3.700)
Nahazo fiofanana maro izahay fony mbola nisokatra ny Base Toliara. Toy ny fanamboarana savony, menaka, zaitra, sns. Tsy nisy lalana vita rarivato ny tanananay ary tonga hatreny an-tokontany ny ranomasina rehefa miakatra. Nanaiky nanamafy ny vahilava ny Base Toliara.
Ankehitriny, mirohotra mitarika posy bisikileta ny lehilahy noho ny tsy fisian’asa, mirongatra ny tsy fandriampahalemana. Hiteraka asa maro ny fisokafan’ny Base Toliara indray. Leo izahay, koa, mitalaho aminareo tompon’andraikitra hanokatra azy.
Razafindravony Georgette, filoha lefitry ny fikambanana Kintana Fahazavana Ambohitsabo
Manetsika ny tanora izahay. Tsy ekenay ny hevitra haha fasan’ny tetikasa an’i Toliara. Hiteraka fiforonan’ny orinasa hafa ny fisokafan’ny Base Toliara, hanome asa ho an’ny tanora. Hanome tombontsoa ho antsika ny fiofanana efa nomen’ity orinasa ity, mikasika ny trano fiantranoana sy ny fisakafoana, ny servisy samihafa, sns. Saingy tsy misy dikany ireny hatreto, satria tsy misy ny asa.
Nanangona : Njaka A.