Tratra ny tanjona tamin’ny fambolen-kazo taona 2022 ho an’ny faritra Atsinanana. Velaran-tany nirefy 3.572 ha no voavoly hazo nandritra ny taona iny. “Efa nihoaran’ny faritra Atsinanana ny fanamby ho an’ny taona 2022 izay tokony nambolena hazo ny velaran-tany 3.000 ha”, hoy ny talem-paritry ny totolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy, Tezena Lionel Armando, omaly. Nitarika ny fambolen-kazo tamin’izany ny governoram-paritra, Rafidison Richard Theodore sy ny ekipa teknikany. Ho an’ny taona 2023 kosa, handray ny taom-panokafana ofisialy fanindroany misesy ny fambolen-kazo ny faritra Atsinanana. Tontosaina ny 19 janoary izao izany ka ho volena ny velaran-tany mirefy 100 ha ao amin’ny fokotany Antseranandavitra, tany kaominaly io nomena ny sampan-draharahan’ny tontolo iainana mba hanaovana fambolen-kazo avy amin’ny kaominina ambanivohitra Ilaka atsinanana, disitrikan’ i Vatomandry. Mizara amin’ny fomba roa ny fambolen-kazo, ny velarantany 25 hekitara hamafazana voa amin’ny alalan’ny “drone” , 75 hekitara kosa hanaovana fambolena mahazatra amin’ny alalan’ny fandevenana fototra zana-kazo.
Niakatra ny antontan’isan’ny fahamaizana
Tetsy ankilany, nanamafy ny tomponandraikitra voalohany amin’ny ny fiarovana ny ala ao an-toerana fa niakatra ny tahan’ny antontanisa eo amin’ny fahamaizan’ala ,tao amin’ny faritra Atsinanana ny taona 2022 teo. Notsindriany fa mitana ny laharana voalohany amin’izany ny distrikan’i Brickaville sy Mahanoro. Nirongatra izay tsy izy ny doro tanety sy ny tavy tao amin’ireo distrika roa ireo. Niharan’ny famaizana koa ny ala arovana hanaovana fikarohana eto amintsika, mitotaly 10 ha izany, toy ny ao Antetezana Foulpointe, Parc Ivoloina, MNP Betampona-Ambodiriana ary ny tao Analalava–Foulpointe. Marihina, mbola tsy vita io antontan’isa mirakitra ny fiakaran’ny fahamaizana tao an-toerana io, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra.
Sajo/TsiferanaR.