Fitendrena gitara : tombony maro no azo amin’ny fandalovan’i Arnito

Notontosaina nanomboka ny alatsinainy 9 janoary 2023, ary hitohy ny talata 10 janoary 2023 ny fampiofanana sy atrikasa atolotry ny “EGM- Conservatoire de musique” ho an’ny mpiangaly ny fitendrena gitara eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny “Mas­ter­­class internationale de guitare” ity hetsika ity. Ny hetsika izay efa miditra amin’ny andro fahatelo mialohan’ny fiafarany.
Mandray fampianarana, mi­sitraka fahaiza-manao, ma­hazo traikefa avy amin’i Arnito, ny mpiangaly gitara eto Madagasikara, indrindra ny eto Antananarivo. Tao anatin’ny fampiofanana sy atrikasa nokarakarain’ny EGM-Conservatoire de musique nanomboka omaly ary hifarana anio no nisitrahan’izy ireo izany. Ity fiofanana sy atrikasa ity izay natokana ho an’ny mpitendry manana fahaizana efa somary ambony kokoa. Mpitendry gitara matihanina avy ao amin’ity sekoly fampianarana mozika ity sy ivelan’ny sekoly no nianoka izany. Fampiofanana sy atrikasa izany, izay tanterahina eny 67 ha, toerana misy ny “EGM-Conservatoire de musique”. “Ilaina foana ny mivelatra amin’ny hafa sy mifampizara. Eo ihany koa ny fangalàna traikefa sy fahaiza-manao amin’ny olona manana ny maha izy azy sahala amin’i Arnito. Isaorana ny mpikarakara”, hoy i Michel, mpisitraka ny fampiofanana.
Fampisehoana no hamaranana ny hetsika. Seho izay maimaim-pona tanteraka, tontosaina ny alarobia 11 janoary 2023. Ireo niofana sy niatrika ny atrikasa no haneho ny nampiofanina azy ao anatin’izany fampisehoana izany.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: