Mpanao Teatra malagasy : Hanangana vovonambe nasionaly

Manatsara hatrany ny fototra ny Malagasy mpanao teatra. Hiditra amin’ny fananganana vovonambe nasionaly izy ireo. Amin’ny alalan’ny fivoriana izay hiantsoana ireo Malagasy mpanao teatra rehetra, anio, no handinihina ny fananganana izany. Ny Ofisim-pirenena misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina (Ofnac) no mikarakara ny fiantsoana, hanasany izay rehetra voakasika amin’izany ho tonga eny amin’ny Ofnac Ivokolo, Analakely. Ankoatra ny fananganana vovonambe nasionaly, hisy koa ny fananganana rejisitra nasionaly ho an’ny mpanakanto ka tafiditra amin’izany ny mpanao teatra.  Tsy hijanona eto Antananarivo ihany fa hitarina hatrany amin’ny faritra izao tetikasa lehibe izao. Efa an-dalam-pikarakarana ihany koa ny fanangonana any amin’ny fitaleavam-paritra rehetra manerana ny Nosy ho an’ny sokajin-javakanto rehetra. Efa manomboka mivelatra sy miha matihanina ny filalaovana teatra ka vao mainka hampivoatra ity fananganana vovonambe sy rejisitra nasionaly ity.

Mi. Raz

Partager sur: