Hosodoko : misantatra ny fampirantiana i Zonasandratr’Art

Tanterahina eny amin’ny “Galerie d’Art Raparivo”, etsy amin’ny Ivokolo Ana­la­ke­ly ny varotra fampiratina ho­sodoko. Hanomboka ny talata 10 janoary 2023 izany hetsika izany ary tsy hifarana raha tsy ny 25 febroary 2023. Ny mpanakanto mpanao ho­so­doko Zonasandratr’Art no hisantatra izany fampiratina izany.
Varotra fampiratina “peinture acrylique” na hosodoko no misantatra ny fampiratina ao ami’ny Ivokolo amin’izao taona vaovao izao. Ny “peinture acrylique” izay isan’ny karazana plastika ihany, iza­ny hoe, loko plastika. Fam­piratina sy varotra hataon’i Zonasandratr”Art, mpanakanto efa teo amin’ny sehatry ny hosodoko nanomboka ny taona 2001. Tanjona amin’izao ny fampiroborobona ny zava-kanto, indrindra ny sehatry ny hosodoko. Ny hosodoko izay misedra olana eo amin’ ny fivarotana ny vokatra , satria vitsy ny mpanjifa noho ny vidin’ny entana.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: