Mponina manamorona morontsiraka any Toliara : « Hany vahaolana amin’ny tsy fisian’asa ny fisokafan’ny Base Toliara »

Miray feo ny sefo fokontany, ny olobe, ny mpanjono, ny olon-tsotra, indrindra ireo monina manamorona ny morontsiraka, ao anatin’ny distrika Toliara I, mitaky ny hanokafana ny orinasa Base Toliara. Ambaran’izy ireo fa izay ihany no hany lala-tokana ho tombontsoan’ny faritra Atsimo Andrefana.

Maro ireo sefo fokontany ao anatin’ny distrika Toliara I, naneho hevitra, mikasika ny olana sedrain’ny mponina, noho ny tsy fisokafan’ny orinasa Base Toliara.

Dadany, sefo fokontany Ankiembe Ambany
Mitaky ny hanokafana indray ny orinasa Base To­liara izahay sefo fokontany, misolo tena ny Vezo. Tsy misy orinasa vaventy eto Toliara, indrindra ho anay monina manamorona ny morontsika, ka hany vahaolana ny Base. Efa nilaza ny fanjakana fa vonona hanohana ny fampandrosoana ny faritra, ary manohana izany izahay ho tombontsoan’ny mponina. Maro ny asa tokony hatao, toy ny fanarenana ny vahila­van’Ankiembe Am­­bany, izay ivarinan’ny rano aty amin’ny tapany atsimon’i Toliara rehetra. Eo koa, ny lalana rarivato sy ny fanatsarana ny biraon’ny fokontany.

Ramilison François, sefo fokontany Mahavatse II Andrefana
Miankin-doha amin’ny ranomasina ny fiainan’ny mponina ato amin’ny fokontaninay. Saingy tsy mitsaha-mitombo ny olona tsy an’asa. Andrandrainay ny hisokafan’ity tetikasa Base Toliara ity ao anatin’ny fotoana fohy ary maninona moa no tsy amin’izao fiandohan’ny taona izao ? Hisaoranay sahady ny fanjakana raha mandray izay fanapahan-kevitra izay, satria hamaha ny olanay isan’andro izany. Ankoatra ny asa omeny, manantena koa izahay ny hamatsiany fitaovam-panjonoana.

Mahajanjy Firmin, Olobe ao amin’ny fokontany Ankiembe Ambany
Tsy manakana ny asa fivelomanay, ny jono, mihitsy ny fitaterana ny fasimainty mankeny amin’ny seranan-tsambo. Afaka manampy anay amin’ny asa famonjena raha sendra misy voina an-dranomasina aza ny sambo haingam-pandeha an’ny Base Toliara, izay mateti-pitranga tokoa mandritra ny andro ratsy. Fantatray fa tsy voatery hiasa ao avokoa ny olon-drehetra, saingy efa faly sahady izahay satria voalaza fa hampiditra hiasa ny Vezo ity orinasa ity.

Jean Claude, sefo fokontany Tsongobory 
Efa nahazo fanampiana ara-tsosialy maro izahay, na tsy mbola nanomboka aza ny fitrandrahan’ny Base Toliara. Toy ny famatsiana rano fisotro madio, ny fanomezana jiro manazava ny tanàna, sns. Manantena ny hitohizan’izany izahay rehefa hanomboka ny fitrandrahana. Antenainay fa hanohy ny asa tanamaro (Himo) koa ny Base, hanome asa aman-jatony ny mponina aty aminay. Efa nahita ny fandrosoan’ny tanàna voakasiky ny fitrandrahana fasimainty ataon’ny QMM any Taolanaro izahay ary manantena ny hisitraka izany atsy ho atsy. Tsy misy antony hanakanana ny Base tsy hitrandraka ity karazana akoran-tany ity, raha jerena ny tombontsoa ho azonay amin’ny fisiany.

Rafidison Rigobert, mpanjono any Ambohitsambo
Efa namatsy fitaovam-panjonoana sy fitahirizana hazan-dranomasina anay ny Base Toliara. Nanome toky ny hanohy ny fanampiany ity orinasa ity raha ekenay ny hisian’ny tetikasa. Zava-dehibe ho anay izany, satria tsy mitsahatra mihena ny hazan-dranomasina, sady tsy afaka miasa araka ny tokony ho izy intsony vokatry ny fomba fanjonoana nentin-drazana. Fotoa­na izao ny hanjonoana amin’ny fomba maoderina. Izay no hiantsoanay ny fanjakana hamaha ity olana ity mba ha­nampiana ny velontenanay.

Zerasolo, Mahavatse
Mino ny hiasan’ny Base Toliara aty amin’ny faritra Atsimo Andrefana aho. Hanome fanantenana ny hoavin’ny tanora aty aminay. Tsy ho an’ny tanora nahavita fianarana manana diplaoma ihany, fa ho an’ireo tsy manana asa rehetra.

Nanangona :
Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: