Tenisy – « Dubai 2023»: hifaninana i Rafael Nadal

Taorian’izay 15 taona tsy nahitan’ny mpankafy tenisy any Dubai an’i Rafael Nadal, mpilalao espaniola izay, hiverina hiatrika fifaninanana « Dubai Duty Free Tennis Cham­pionships » indray izy. Izany dia hotanterahina ny 27 febroary hatramin’ny 5 marsa. Araka ny vaovao, tamin’ny taona 2008 ny lehilahy no nanao ity fifaninanana ity farany.
Ankoatra izay, handray anjara ao koa i Novak Djokovic, mpilalao serbianina sy i Andrey Rublev, izay tompondaka farany tamin’ity fifaninanana ity. Marihina fa tsy afaka hilalao ilay espaniola Carlos Alcaraz, mitondra ny laharana voalohany amin’ny filaharan’ny ATP, noho ny ratra mahazo azy. Miverina amin’i Rafael Nadal, araka izany, ny laharana voalohany eo amin’ny ATP.
Tsiahivina fa taorian’ilay fihintsanan’i Nadal tamin’ny fifaninanana « Melbourne » izay natao tany Aostralia iny, nanoman-tena mafy ny lehilahy mba hanarenana ny lesoka.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: