Handray anjara mavitrika i Maroc

Tsy araka ny resaka nandeha tamin’ny herinandro lasa teo fa niala an-daharana ny Lionan’i Atlas Maroc, eo amin’ ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2023”. Fantatra izao fa efa tonga any Algérie izy ireo, ary nanambara ny fahavononany handray anjara sy hiaro ny anaram-boninahitra efa azony tamin’ny taona 2020.

Marihina fa miaraka amin’ ny Barea de Madagascar ao amin’ny vondrona “C” ry zareo Maraokanina. Mpilalao tanora ny mandrafitra an-dry zareo Liona-n’i Atlas, izay nalaina tamin’ireo ekipa goavana any an-toerana toy ny Wydad Casablanca, ny Raja Casablanca, ny FAR raha tsy hilaza afa-tsy ireo. Anisan’ ireo ekipa “favorie” amin’ity “Chan 2023” ity ny Lionan’i Atlas. Ankoatra izay, nisy ireo nandrafitra an’i Maroc nandritra ny “Mondial 2022”, natao tany Qatar no hita ao anatin’ ny Liona miatrika ity “Chan 2023” ity.

Raha tsiahivina, ny alakamisy 19 janoary ho avy izao no hidona amin’ity ekipan’i Maroc ity ny Barea de Madagascar eo amin’ny andro faharoa.

Mialoha ny hiatrehany ity “Chan 2023” ity, mbola niatrika lalao sedra tamin’i Etiopia ry zareo ny alatsinainy lasa teo, tao amin’ny kianja Complexe Mohammed VI, tao Maamora ka nandreseny, tamin’ny isa, 2 no ho 1.

Tompondaka

Partager sur: