Tetikasa Dinaamicc… Famokarana miatrika ny fiovan’ny toetr’andro

Miantraika any amin’ny fomba famokaran’ny tantsaha ny fiovan’ny toetr’andro. Mila vahaolana azo tsapain-tanana sady maharitra izany. Antony naneken’ny Vondrona eoropeanina (UE), hanohana ny tetikasa Dingana amin’ny antsipiriany hanohanana ny fambolena tantanin’ny fianakaviana, afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro (Dinaamicc*).

 Mitentina 4.422.718 Euros ny tetibola hanaovana ny asa, ka avy amin’ny Vondrona eoropeanina ny 95%-n’izany. Faritra telo no voakasikin’ny tetikasa, Analamanga, Itasy, Vakinankaratra. Nanomboka ny taona 2022 ny tetikasa, ary hifarana amin’ny 2025.

Mifantoka amina lohahevitra roa lehibe ity tetikasa ity, sady mampiavaka azy. Ny lafiny fikarohana  sady miaraka amin’ny fampandrosoana. Miisa 11 ny mpiara-miombon’antoka hanatanteraka izany.

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, ny 24 janoary teo, tany Arivonimamo, faritra Itasy ny tetikasa Dinaamicc. Isan’ny miara-miombon’antoka manatanteraka azy any an -toerana, ny fikambanana Agri Sud. Nilaza ny mpandrindra ny tetikasa ao aminy, Rampanjato Tokiniaina, fa nisy ny fanadihadiana ny tantsaha eny ifotony, namantarana ny olana vokatry ny fiovan’ny toetr’andro. Fantatra fa tara ny fotoana fiavin’ny orana, tsy voafehy ny fotoam-pambolena, mihena ny velaran-tany azo volena, sady voatery miakatra amin’ny avo toerana. Vahaolana hita ny hanemorana ny fotoam-pambolena, sady voly azo atao ao anatin’ny fotoana fohy no hampiharina. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny sampandraharahan’ny famantarana ny toetr’andro, handrindrana izany fotoam-pambolena izany. Vatsiana fitaovana koa ity sampandraharaha ity.

Toerana filamatra

Nitatitra koa ny tantsaha, fa mihabetsaka ny bibikely mpanimba voly, nefa misondrotra ny vidiny. Vahaolana ataon’izy ireo ny atao hoe ady gasy, mampiasa ny zavamaniry eto an-toerana ihany. Hita koa fa miharatsy ny kalitaon’ny nofon-tany.

Noraisin’ny Agrisud ireny soso-kevitry ny tantsaha ireny, ka nampiana sy nohatsaraina.

Miisa 10 ny fokontany ao anatin’ny kaominina telo no notohanana. Miisa 48 ny toerana filamatra natsangana, ka 30 any Itasy, atao toera-piofanana, sy fitaratra. Natsangana ny tantsaha isam-pianakaviana (EAF), eo koa ny tantsaha nofanina manokana (Mex) miisa 42, afaka mampita ny fahaiza-manaony amin’ny tantsaha, toy ny famokarana zana-kazo, mpamokatra zana-trondro, sns. Mahatratra 678 ny fitaovana sy kojakoja famokarana nozaraina tamin’ny tantsaha.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: