Hifarana anio, eto Antananarivo, ny zaikaben’ny tanora ho an’ny fahitsiana. Hanentana ny tanora amin’ny maha mpisehatra afaka mitondra fanovana azy ireo hanamafy io kolontsaina io no tanjon’ny CSI, mpikarakara.
“Fitaovana mampandroso ny ady amin’ny kolikoly ny fananana ny foto-pisainana manaja ny fahitsiana sy ny marina. Hametraka tanora manerana ny Nosy mivoy io foto-pisainana io no tanjon’ny zaikabem-pirenen’ny tanora ho an’ny fahitsiana tanterahina eto Antananarivo, mandritra ny roa andro”, hoy ny filohan’ny komity mitandro ny fahitsiana (CSI), Andriamifidy Jean Louis, omaly, teny Ankatso.
Tsy ny tomponandraikitra sy ny mpitondra ihany no mety hanana io foto-pisainana “tia kely” mametraka ny tombontsoan’ny tenany mialoha ny tombontsoa iombonana io. Ny vahoaka mihitsy no mila manda izany ka ireo tanora manatrika ny zaikabe no hampitana ny foto-pisainan’ny fahitsiana ary hanentana sy hanabe ny mpiara-monina aorian’ny fihaonana.
Tanora 60 mahery avy amin’ny faritra 16 (faritany enina) no nahatonga solontena teto Antananarivo. Nanaovana antso manokana izy ireo ary naneho ny fahavononany sy ny zavatra efa ataony manoloana ny ady amin’ny kolikoly. Nofantenana, araka izany, ary nantsoina hisolo tena ny faritra misy azy eto Antananarivo mandritra ny roa andro, araka ny fanazavan’ny sekretera mpanatanteraka ny CSI, Razafimandimby Tsiry.
Omena lanja manokana ny feon’ireo tanora avy any amin’ny faritra, hahatonga ny fifanakalozan-kevitra hampiseho ny fahasamihafan’ny traikefa ary ny filana manerana ny Nosy. Hatambatra ny soso-kevitra rehetra hanome tolo-kevitra iraisan’ny tanora mandrafitra.
Mandritra ny hetsika eny Ankatso, misy tanànan’ny fahitsiana eny amin’ny Esplanade misy tranoheva 40, ahitana rafitra 36 misehatra amin’ ny fampiroboroboana ny fahitsiana.
Vonjy





