Vaky ny fefilohan’i Sisaony: olona 582 nafindra toerana vonjimaika

Vokatry ny fahavakisan’ny fefilohan’i Sisaony, olona 250 no voatery nafindra toerana haingana niaraka amin’ny fokontany roa voahodidina ranobe, omaly alina, ary mbola nitohy ny tapany maraina.

Noho ny fahavakisan’ ny fefilohan’i Si­saony, lasa nosikely Ambohidava Am­pita­ta­fika ary mitoka-monina tanteraka. Trano 50 ma­hery no nentin’ny fefiloha tamin’ny rivodoza tamin’ ny taona 2022, araka ny voa­lazan’ny tompon-tanàna. Tsy misy ny aina nafoy tamin’izay fotoana izay fa ny faharavan’ny trano ma­robe niorina na­namorona ny fefiloha no nanamora ny fiakaran’ny rano haingana eny an-toerana amin’ izao fotoana. Fokontany roa no voakasiky ny fiakaran’ny ranobe : Anja­namaitso sy Am­bohidava ka olona 582 no ezahina avoaka tao miaraka amin’ ny sambo haingam-pandeha. Nanom­boka ny alakamisy alina tontolo ny fanalana ireo olona mbola mipetraka eny an-toerana ary nitohy hatramin’ny omaly maraina.
Iarahan’ny Birao na­sionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC), sy ny kaominina Antana­na­rivo Renivohitra (CUA), ny sampana mpamnojy voina, ny distrikan’Atsimondrano, ny Corps de protéction ci­vile ary ny zandarimariam-pirenena ny fanalana ireo olona ireo. Natao ny hetsika hialana amin’ny fitokana-monina sy ny mety fahasahiranan’ireo mponina ireo satria voahodidina rano tan­teraka ny tanànany.
Nape­traka eny amin’ny biraon’ny kaominina sy eny amin’ny CEG Falia­rivo Ampita­tafika aloha ireo traboina voatery niala tamin’ny tranony. Nanaiky ny hafindra toerana avokoa ireo olona tamin’ny fokontany voakasika, hoy ny fa­na­zavana.
Tao anatin’ny andro maromaro no efa nanara-maso ny fizotry ny fandehan’ny rano ny Apipa ary efa nahazo filazana loza manambana ny kaominina maromaro nanomboka teny Tsiafahy hatrany Ampan­gabe, noho ny fiakaran’ny reniranon’i Sisaony, ny alakamisy teo.

Efa miha manalavitra i Cheneso

Nihena ho 90 km isan’ora ny rivotra miaraka amin’ilay rivodoza Cheneso izay arahana tafiotra manodidina ny 125 km isan’ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka nianatsimo somary Atsimo Andre­fana ka mahafaka 9 km isan’ora. Omaly maraina, tany amin’ny 163 km andrefan’i Morombe no
nisy ny foibeny. Nivoatra any amin’ny maherin’ny 150 km miala ny morontsiraka ity rivodoza ity, omaly ary hanalavitra hatrany izy manomboka anio. Noho izany, tsy ahina intsony ny mety hisin’ny
rivotra mafy an-tanety amin’ireo distrika amin’ny morontsirak’i Menabe sy Atsimo Andrefana fa mbola mety hanatombo kosa anefa ny rotsak’orana amin’ireo faritra ireo.
Noho izany, nahazo filazana fahamailoana, mi­loko manga, ny distrikan’i Belon’i Tsiribihina, Morondava, Manja, Morombe ary Toliara I-II. Ankoatra izay, mbola mitoetra ihany koa ny rotsak’ orana (30 ka hatramin’ny 50 mm anatin’ny 24 ora), omaly, any Melaky sy Atsimo Atsinanana ka manakery hatrany ny fampitandremana amin’ny fahabe­tsahan’ny rotsak’orana.
Entanina ny mpampiasa ranomasina amin’ny morontsiraka Avaratra Andrefana, Andrefana, Atsimo Andrefana, Atsimo ary eo anelanelan’ny Farafangana sy Taolagnaro mba tsy hiandriaka satria mbola hikorontana ny toetry ny andro.

Vonjy A.

Partager sur: