Mois : janvier 2023

Tsy kivorivory fa asa !

Mba mangataka re hividiananay sakafo ! Omeo na dia ariary zato aza hividianana vary ! Izany no ambentin-tenin’ireo  ankizy sy ny fianakaviana sahirana eny an-dalambe rehetra eny. Sady mampahonena no mahatonga saina. Mihamaro andro aman’alina ny olona marefo sy tena fadiranovana, ka misafidy ny hitoetra eny an-dalambe rehetra eny. Ny olan’ny trano, […]

Noho ny hanoanana… Lehilahy nangala-bilany sy fotsimbary

Nilaza ho nirahin’ny hanoanany, lehilahy iray mpanjaitra kiraro nangala-bilany ka  voasambotry ny zandary  tao Ambohimangakely, ny alatsinainy 23 janoary teo.  Avy amin’ny fokontany iray tsy lavitra, nalain’io lehilahy io ny vilany lehibe  niaraka tamin’ny fotsim-bary tao amina tokantrano anatin’ny fokontany Ambohimpiainana. Tsy vitan’io, mbola nangalarin’ity lehilahy nanao hala-boty ity koa […]

Herisetra amin-jaza… Lehilahy iray nidoboka am-ponja

Naiditra am-ponja vonjimaika, omaly, rehefa avy niatrika mpitsara mpanao famotorana ny lehilahy iray voatondro ho nanolana ankizivavikely. Tao Amboasary Atsimo no nitrangan’izy  ity. Andro vitsy mialohan’io, tonga teny amin’ny biraon’ny polisy ny havan’ilay zaza 11 taona. Nitaraina fa naolana lehilahy 53 taona ny zanany ary mpiara-monina aminy ihany ilay voalaza […]

Ambohimalaza… Jiolahy miisa sivy nidoboka am-ponja

Manampy isa ireo andian-jiolahy naiditra am-ponja vonjimaika ireo olon-dratsy voasambotra teny Ambohimalaza sy ny manodidina ny herinandro teo.  Miandry ny fotoam-pitsarana azy any am-ponja avokoa ireo jiolahy voasambotra teny Ambohimalaza ny herinandro teo. Isan’izany ilay lehilahy voatondro ho nanolana ankizivavikely 12 taona. Ao koa ireo andian-jiolahy mpamaky trano eny amin’iny […]

Trafikana taolam-paty… Olona efatra voasambotra

Saron’ny polisy ao Mahanoro afak’omaly ireo efa-dahy voalaza fa saika hanondrana taolam-paty tao an-toerana. Nahazo fanampim-baovao mahakasika ity tranga ity ny mpitandro filaminana. Araka izany, napetraka ny paik’ady rehetra ka namafisina ny fisafoana ny fiara, ny lakana ary ny olona mivezivezy ao an-toerana. Vokany, nahatsikaritra lehilahy miisa efatra nilanja gony […]