Nohamafisin’ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo tany Atsimo Atsinanana sy Vatovavy, ny herinandro teo ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Fanalahidy ho an’ny fanovana izany, araka ny nambarany. Nanteriny fa miteraka fampandrosoana maharitra ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Mila politika sahisahy ny fitantanana ny firenena ary ilaina […]
Mois : janvier 2023
Olana teknika : fiaramanidina nianjera, maty ny mpanamory
Nitrangana lozam-piaramanadina namoizana ain’olona tao Mangalahala fokontany Andilanatoby distrikan’ Ambatondrazaka, omaly maraina. Tra-doza tamin’ny fiaramanidina kely an’ny Kaompania Aeromarine, 5RAAR-PA28, ny lehilahy iray vao erotrerony fantatra amin’ny anarana i Landry Razanajafy, 25 taona nikasa ho any Mananara. Niainga teto Antananarivo, nizotra soamantsara ny diany ka mbola tonga teny an’habakabaka Ambatondrazaka […]
Tsy very fanantenana
Aiza izay fanovana ny mpikambana amin’ny governemanta ? Inona indray aza ity ataon-dRatsirahonana ity? Ahoana koa itony fiaingana masiakan’ingahy Siteny itony ? Santionan’ny fanontaniana mipetrapetraka eny rehetra eny izany. Indrindra fa amin’ny mpanara-baovao politika. Fanina sy sanganehana ny rehetra manoloana ny fivoaran’ny raharaham-pirenena. Toa mandroso mihemotra, tsy hita be ihany ny andraisana azy. […]
Ambasadaoro Arnaud Guillois: “Tsy mitsabaka amin’ny fifidianana eto i Frantsa”
Nitondra fanazavana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra rehetra eo amin’i Frantsa sy i Madagasikara ny ambasadaoro Frantsay, Arnaud Guillois, omaly, teny Ivandry. Voaresaka ny lafiny politika sy ny Nosy manodidina ary koa ny toekarena. “Tsy mitsabaka amin’ny raharaha anatiny amin’ny fifidianana hatao amin’ity taona ity i Frantsa. Miandrandra izany ho demokratika […]
Etrotroka-Farafangana: trano 62 hotohoton’ny afo
May tsy nisy noraisina ireo trano 62 tafo tao amin’ny fokontany Etrotroka, distrikan’i Farafangana, ny alin’ny alakamisy 19 janoary teo. Tokantrano iray an’ny ramatoa tokan-tena no nipoiran’ny afo. Niitatra izany ka nandoro ireo trano sasany niaraka tamin’ny biraom-pokontany. Vokany, tokantrano 47 misy olona 237 traboina. Nifarimbona namono ny afo ny […]




