Mois : janvier 2023

RN-6 : manomboka ny fanarenana

Hanomboka ny fanarenana ny lalam-pirenena fahaenina RN 6, manomboka eo Ambondromamy hatreo Am­banja, mirefy 459 km. Mama­tsy vola ny asa ny Banky Iraisam-pirenena, ao anatin’ny Tetikasa fampandrosoana maharitra ny lalana (PDDR) sy ny Asa vonjitaitra sy maika (CERC). Nijery ny fanombohan’ny asa ny minisitry ny Asa vaventy, Hatrefindrazana Jerry, ny […]

ANGOVO MAINTSO: hitarina ho 40 MW ny vokatra herinaratra ao Ambatolampy

New Energy Africa (NEA) ao amin’ny Vondrona Axian, GreenYellow, GuarantCO, African Guarantee Fund (AGF), ary Société Générale (SG), niray hina nanambatra renivola 47,1 miliara ariary (manodidina ny 10 tapitrisa euros) ho famatsiana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro. Samy manana ny mampiavaka azy amin’ny famokarana angovo azo havaozina ireo mpiara-miombon’antoka ireo. […]

Alahadin’ny tenin’Andriamanitra Iainana fa tsy vakiana fotsiny ny soratra masina

Alahadin’ny tenin’Andria­manitra! “Tsy vakiana fotsiny ny tenin’Andriamanitra fa iainana” hoy i Masera Seheno, tompon’andraikitra eo an­ivon’ny librairie Md Paoly. Nankalaza ny andron’ny tenin’Andriamanitra ny fiangonana Katolika ny asabotsy teo. Natao teny Analakely izany ka nampisehoana hetsika maro. Anton’ny hetsika ny hanampiana ny olona mba hiomana sy hiaina tsara kokoa ny […]

Mitohy ny andro ratsy : hikija ny orana, hiakatra ny renirano

Mbola mitohy ny andro ra­tsy hatramin’ny alakamisy. Mi­­sy ny fikorontanana noho ny rivotra mafy mahatratra 55km/ ora, arahina tafiotra 65 km/ora. Misy izany ny any avaratra an­dre­fana, afovoany an­dre­fana ary atsimo atsinanan’ny Nosy ha­­try ny omaly. Hiteraka fanelingelenan’ny fahitana sy fahasarotan’ny fifamoivoizana an-dra­nomasina izany. Voaka­sik’ izany ny eo anelanelan’An­a­la­la­­va sy Morondava […]