Sento Arilala Sylvie na Rangita teo amin’ny sokajy Rap. Tanjona Randrianarivelo teo amin’ny sokajy Rn’B. Ny tarika Art-Kalo kosa no nibata ny amboara teo amin’ny sokajy “tropical”, nandritra ilay fifaninanana “Urban Talenta”. Tontosa ny alahady tolakandro teony famaranana ity fifaninanana talenta vao ity, ka ireo no nofidian’ireo mpijery sady mpankafy […]
Mois : janvier 2023
Apinga: mampandroso ny firenena Malagasy ny kabary
“Isan’ny ahafantaran’ny vahiny ny maha izy azy antsika Malagasy ary mampandroso ny firenena ny fanajana ny kolontsaina”, hoy ny filohan’ny mpikabary eo anivon’ny fikambanana Apinga, Toavimanampisoa Mitahiry Fahendrena. “Mijoro ny hampandroso ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy ary hamita ny iraka ho an’ny firenena ny anjara andraikitry ny fikambanana mandalina […]
Tendry Gitara : mitohy hatrany nyfampiofanan’i Arnito
Mikisaka mihazo ny faritra atsimo indray ny dian’i Arnito, ilay kalazalahy frantsay eo amin’ny tontolon’ny fitendrena gitara. Taorian’ny hetsika maro isaky ny karazany avy teto Antananarivo sy tao Antsirabe. Ny mpankafy gitara manomboka eo Ambositra sy Fianarantsoa ary Toliara indray no hahazo ny anjarany avy amin’i Arnito. Hetsika karakarain’ny Academie […]
“Raharaha Omda”: mifanipa-kevitra ny samy mpanakanto
Mafampana ny toe-draharaha eo amin’ny samy mpanakanto. Niitatra ny « Raharaha Omda », mahatonga fizarazaran-kevitra, taorian’ny fiantsoana fivoriambe izay hotontosaina rahampitso. Nanao fanambarana ny sendikan’ny artista. Naneho hevitra koa ireo mpanakanto hafa tsy momba izany… Inona no hitranga rahampitso ? Liana dia liana amin’ ny valin’izay fanontaniana izay ny mpanaraka ny vaovaon’ny mpanakanto. […]
Otrikafo : “Ilaina ny fifampiresahana alohan’ny fifidianana”
“Raha izao zava-misy izao no ikirizan’ny mpitondra fanjakana sy ny mpanao politika mieritreritra hiroso amin’ny fifidianana, manahy izahay hoe: ianareo indray izany no hampiditra krizy vaovao, raha tsy hialohavana fifampiresahana ny fifidianana?”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia. ”Azo antoka fa tsy maintsy hanao ny fomba hahalany azy hitondrany […]




