Tsy afaka ny hangina intsony. Mitaraina ireo ray aman-drenin’ny mpianatra mampiana-janaka any Maraoka, amin’izao fotoana izao. Nambaran’ izy ireo, omaly, fa tsy tanteraka ny fampanantenana nomen’ny fanjakana amin’ny hamerenana ny volan’ireo ray aman-dreny, nataon’izy ireo saran-dalana tamin’ny fiaramanidina “Billet d’avion”. Efa nilaza ary mbola nanamafy ny filoha Rajoelina Andry, tamin’ny […]
Mois : mars 2023
Takaitran’ny rivodoza : nanampy ny traboina i Camille Vital
Tsy namela ho irery ny mpiray tanindrazana ny ambasadaoro any Maorisy, ny Jly Camille Vital. Naneho ny fiaraha-miory sy fiaraha-mientana ary fifanohanana amin’ny mpiray tanindrazana ny tenany ka nanolotra fanampiana ho an’ireo traboina, noho ny rivodoza farany teo. Nitondra ny anjara birikiny tamin’izany, amin’ny alalan’ny antoko Hiaraka isika ka nandefa […]
Fiaraha-miasan’ny FES sy ny UE : hatsangana ny sehatra hanofanana ireo mpanao politika
Natao tetsy Ankadifotsy, omaly, ny fampahafantarana ny tetikasa ho amin’ny fanentanana ny olom-pirenena mba handray andraikitra amin’ny dingana eo amin’ny fifidianana. Miara-miasa amin’izany ny eo anivon’ny FES sy ny avy amin’ny delegasion’ny Vondrona Eoropeanina (UE). Anisan’ny kendren’ny FES ny hananganana sehatra ifanakalozan-kevitra ho an’ireo mpisehatra politika. Ao anatin’izany ny fanofanana amin’ny […]
Filoha Rajoelina Andry mivady : ankizy 7200 nahazo fanomezana tany Atsimo Andrefana
Niverina tao Toliara indray, omaly, ny filoha Rajoelina Andry mivady ary nizara kilalao sy kojakoja samihafa ho an’ny ankizy 2 hatramin’ny 14 taona, miisa 7 200. Tafiditra amin’ny tetikasa, iarahana amin’ny “Samaritan’s Pruse”, any Etazonia izy io ary mandray izany eto ny ONG Tetikasa ankizy krismasy (Tak). Fanomezana avy amin’ny […]
Mifampiana-dratsy !
Efa eny an-kianja ny mpilalao rehetra raha resaka fifidianana izay ho filohan’ny Repoblika no asian-teny. Samy efa manovokovoka amin’ny hetsika isan-karazany sy ny famoriam-bahoaka ny manana hoenti-manana amin’izany. Andaniny ny loko mavo, tarihin’ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny, ankilany ny loko volomboasary, miaraka amin’ny filoha am-perinasa Rajoelina Andry. Ankoatra ireo, tsy azo […]




