Mois : mars 2023

Tany misy fanjakana… tan-dalàna

Tato ho ato, mirongatra be ny fanafihan-jiolahy, fakana an-keriny, vono olona… Tsy hita hovisavisaina sy hotanisaisaina. Ny mahavalalanina sy mahafanina: sanatria, toa mitady hanomboka tsy taitra firy intsony ny sasany mandre sy mahalala izany. Mitady hahazo vahana ny kolontsaina filalaovana aina? Efa izany eo amin’ny mpanao ratsy, matoa mandeha ho […]

Saika hiondrana antsokosoko : olona 22 hita faty narendriky ny sambo

Tafakatra 22 ireo olona hita faty taorian’ilay lozan-dranomasina teo anelanelan’Ankazomborona sy Nosy Faly, afakomaly. Ireo 24 hita velona kosa nitsoaka sy karohina noho ny tahotra. Faty olona niraradraraka. Nitrangana lozan-dranomasina mahatsiravina teo Ankazomborona, fokontany sy kaominina Beramanja, distrikan’Ambilobe, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo. Rendrika teo anelanelan’ An­kazomborona sy Nosy […]

RN7: fiara niala tany nihotsaka nifandona

Olona valo naratra vokatry ny fifandonan’ny fiara tsy mataho-dalana iray sy taksibrosy teo amin’ny lalam-pirenena faha-7, PK-254 + 050, ny sabotsy teo tamin’ny 7 maraina. Avy any Atsimo ity fiara 4×4 ity ka sendra tany nihotsaka tao anaty arabe. Niala io tany io ny mpamily kinanjo nifatratra tampoka tamin’ny taksibrosy […]

Ambolokandrina : mpangalatra vilany tratra

Tsy mety fay mihitsy ! Soa ihany fa haingana ny fahatongavan’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany faharoa (CSP2), raha tsy izany saika matin’ny fitsaram-bahoaka ireo jiolahy roa avy namaky trano, omaly tamin’ny 5ora sy 30 mn maraina, teny Ambolokandrina. Tratra teny amin’izy roa lahy ireto ny gonibe iray feno […]

Efa nahazo vola 1 600 000 Ar… : tratra ny lehilahy iray nisandoka ho mahatafiditra olona hiasa ao amin’ny PAC

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahafito (CSP7) 67 ha teny Ankadindramamy, ny zoma teo, ny lehilahy iray 54 taona voarohirohy ho tompon’antoka tamina fisandohana andraikitra. Nahazo an­gom-baovao ny polisy miasa ao amin’ny CSP7 fa misy olona misoloky sy misandoka andraikitra. Ran­gahibe iray no tompon’antoka amin’izany. Milaza ity […]