Mois : mars 2023

Minisitera MMRS : nanome ra maimaim-poana ny mpiasa

« Manome ra, manome aina ». Ankoatra ny maha mpisehatra amin’ny toekarena azy, manana adidy amin’ny lafiny sosialy koa ny ao amin’ny minisiteran’ny Harena an- kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika (MM RS). Nanatanteraka fanomezan-dra maimaim-poana teny amin’ny Amphithéâtre Ampan­drianomby ny fianakaviamben’izy ireo, omaly. He­tsika niarahana tamin’ny foibe famindrana ra eo amin’ny mi­nisiteran’ny […]

ITM 2023 : fanarenana ny fizahantany

Hatao ny 15 hatramin’ny 18 jona ho avy izao, eny amin’ny foibe CCI Ivato, ny hetsika iraisam-pirenena mikasika ny fizahantany ITM (Inter­national tourism fair of Mada­gasikara), andiany fahasivy. Zava-dehibe ny hantenaina aminy, satria tsy nisy ny hetsika nandritra ny telo taona, noho ny krizy Covid-19. Mi­ka­rakara azy ny Ofisim-pirenena ho […]

Sambava : nodorana ny lavanila fa tsy misy mpividy

Nanao fihetsiketsehana avy hatrany ny mpikambana ao anatin’ny SOS Lavanila any Sambava, omaly. Tsy nahandry ny fe-potoana 72 ora napetrak’izy ireo, miandry ny fepetra sy vahaolana omen’ny fanjakana. Nisy ny herisetra nihatra tamin’ny olon-tsotra. Nidina an-dalambe ny mpisehatra amin’ny lavanila, omaly, nanao hetsika manodidina ity sehatra ity. Misy ny vovonana SOS […]

Oniversiten’Antananarivo : vita ny fampitahana ny lisitry ny mpianatra

Namoaka fanambarana, omaly, ny oniversiten’Anta­na­narivo fa efa vita tanteraka ny sahanasa momba ny fampitahana ny lisitr’ireo mpianatra izay misitraka ny vatsim-pianarana taona 2022-2023. Na­tao nandritra ny 3 andro (13-15 marsa) ny fampitahana, nifarimbonan’ny oniversiten’ An­tananarivo sy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika (Mesupres) ary ny minisite­ran’ny Fiovana sy […]