Mois : mars 2023

Fiarovana ny tontolo iainana : namboly hazo ny maintimolalin’ny CUA sy ny Béton armé

Nanatanteraka ny anjara fanamaitsoana ny tanàna ny fikambanan’ny maintimolaly eo amin’ny CUA sy ny fikambanana Béton armé, omaly, teny amin’ny Rocade Nani­sana. Nitarika azy ireo nanatanteraka izany ny ben’ny Ta­nàna, Andriantsitohaina Naina. Nentina nanaporofoana fa saropiaro amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny fikambanana ary mandray anjara feno amin’ny fikoloana izany. […]

METFP : hamboarina ny Lycée Mananjary

Nanatanteraka fifanaraham-piaraha-miasa ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny orinasa Cementis, omaly, tetsy Tsaralalàna. Hiantoka ny simenitra lany rehetra amin’ny hanamboarana ny Lycée any Manjary izay ravan’ny rivodoza Freddy farany teo ny orinasa. Tanjona ny hiverenan’ny mpianatra mianatra amin’ny sekoly tsara ara-dalàna hahafahan’izy ireo manovo fahalalana toy […]

Kaominina Antananarivo Renivohitra : mbola malalaka ny tsena Petite Vitesse, hisy ny fanatsarana

Hanampy ny mpivarotra ao amin’ny Petite Vitesse hanatsara ny tsenany ny CUA. Mbola malalaka ny toerana ka tokony hiditra anaty tsena ara-dalàna ireo mpivarotra amoron-dalana. Mitohy ny fidinana eny ifotony ataon’ny ben’ny Tanànan’An­tananarivo Renivohitra, An­driantsitohaina Naina. Nitsi­dika ny mpivarotra teny amin’ ny tsena Petite Vitesse indray ny tenany niaraka tamin’ny […]

Hatsikana: hiaka-tsehatra indray i Lolosy Bonatsara

Mitohy hatrany ny hetsika “Hanomano Show, one man show”, iarahana amin’i Lo­losy Bonatsara. Ny Sa­gittarius Madagascar, toha­nan’ny ivontoerana miantsoroka ny fampiroboroboana ny kolontsaina no mikarakara ny hetsika. Eny amin’ny ADMC CRAAM Ankatso indray no hanatanterahana ny seho amin’ity anio ity. “Zay fotsiny e !” no lohateny sy teny enti-manentana ny […]

Fankalazana ny Taombaovao : nanome lanja manokana ny lambalandy ny Maiha

Anisan’ireo nanamarika, tahaka ny fanaony isan-taona ny taombaovao ny eo anivon’ny Malagasy iray hasina (Maiha). Hifarana anio ny hetsika fampirantiana ataon’izy ireo momba izany. Nosa­fidiana manokana tamin’ity indray mandeha ity ny momba ny lambalandy. “Anisan’ny manana ny lanjany sy hasiny teo amintsika izany. Misy dikany avokoa ny sorany sy ny […]