Hotanterahina ny 4, 5, 6 ary 7 avrily izao eny amin’ny fiantsonan’ny taxi-be Telma Anosibe Angarangarana ny hetsika fahasalamana manakaiky vahoaka ho an’ny boriborintany IV. Ankoatra ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny, hisy koa ny karazana fitiliana mahazatra izay mahasarika ny olona.
Anisan’izany ny fitiliana diabeta, hahafantarana ny tahan’ny siramamy anaty ra. Eo koa ny fizahana maso maimaim-poana miaraka amin’ny fivarotana solomaso amin’ny vidiny mirary iarahana amin’ny Lion’s Sight First Madagascar.
Eo koa ny tolotra manokana ho an’ny zaza, mikasika ny karazana torohevitra mikasika ny sakafo ara-pahasalamana sy mampitombo azy ireo. Holanjaina ireo zaza ary maimaim-poana ny torohevitra amin’ny fikarakarana azy.
Mifanindran-dalana amin’ireo ny tolotra ara-tsosialy, fiahiana sy tantsoroka ara-tsaina izay tena ilain’ny maro, manoloana ny kirizim-piainana misy amin’izao fotoana.
Iandraiketan’ny fitaleavana momba ny fahasalamana ny fizarana fanafody mifandraika amin’ny aretina rehefa vita ny fizaham-pahasalamana. Eo koa ny fanafody fandrindram-piterahana, fitiliana VIH/Sida ary ny fitsapana tosi-dra, fizarana ody kankana ho an’ny ankizy…
Fotoana hahafahana manao vaksiny miaro amin’ny Covid-19 ihany koa ireo fotoana ireo ho an’ireo izay tsy mbola nananao na ireo hanampy daozy.
Mitety ireo boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra ny fahasalamana mitety vahoaka, karakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Tanjona ny hahafahan’ny rehetra misitraka ny tolotra ara-pahasalamana sy manakaiky vahoaka.
Tatiana A




