Fifaninanana hidirana ho mpitsara : Voaporofo ny nisian’ny laza adina nivoaka mialoha, averina ny fanadinana

Averina ny fifaninanana hidirana ho mpitsara amin’ny lalam-piofanana ady ifanaovan’ny isam-batan’olona. Voaporofo fa nahitana laza adina nivoaka mialoha ka tsy maintsy nandraisana ny fanapahan-kevitra.

Mampahafantatra ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, fa taorian’ny fanapahan-kevitra hampiatoana ny fanadinana hidirana ho mpitsara, ny 15 marsa 2026 lasa teo, noraisina ny andraikitra ka nisy ny fanadihadiana lalina mba hampanjakana ny marina sy hiantohana ny fitokisan’ny rehetra amin’ny ahiahy teo amin’ny fizotran’ny fifaninanana. Mifantoka amin’ny teboka roa ny fanadihadiana, ny fiparitahan’ny laza adina sy ny fisian’ny mari-pamantarana manokana nandritra ny fitsarana (signe distinctif).
Ny Bianco no manatanteraka ny fanadihadiana ary natolotra ny tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly ny valiny.
Voaporofo fa nisy ny fiparitahan’ny laza adina ka nisy ireo voaheloka ary efa nampidirina am-ponja. Ireo olona nisitraka na nividy laza adina kosa dia tsy afaka akory ta­min’ny fifaninanana. Momba ny mari-pamantarana manokana indray dia tsy nisy porofo afaka nanamarinana izany.

Mitaintaina ny mpiadina
Nitaintaina fatratra ny ray aman-dreny sy ny mpiadina izay maniry ny ahita fanapahan-kevitra mazava sy mangarahara mahakasika ny fifaninanana. Noraisina, araka izany, ny fanapahan-kevitra araka ny didim-panjakana laharana faha-24769/2026 nivoaka ny 3 aogositra 2026 ary tapaka ny hamerenana ny fanadinana an-tsoratra ma­nontolo ho an’ny lalam-piofanana momba ny ady ifanao­van’ny isam-batan’olona, izay hatao ny 1 hatram’ny 4 septambra izao.
Ny lalam-piofanana mom­ba ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana sy ny lalam-piofanana momba ny fitantanam-bolam-panjakana dia tsy nisy ahiahy na porofo ka hitohy ara-dalàna ny dingana rehetra ary hotanterahina ny adina am-bava ny 17 hatramin’ny 20 aogositra izao. Andraikitry ny minisitera ny mandray fanapahan-kevitra sy miantoka ny fahamarinan’ny fizotry ny fifaninanana, ny ara-teknika no ataon’ny ENMG.

Tatiana A

Partager sur: