Tao anatin’ny herinandro vitsy, mivadika ambony ambany ny fiainan-dRamalagasy, indrindra ny eto an-drenivohitra. Mihalalina ny fahantrana, sanatria matimaty ho azy izany ny mpiray tanindrazana. Mahonena sy mahalatsa-dranomaso ny mahita loham-pianakaviana mamoy fo. Mirona any amin’ny famonoana ny ankohonany, avy eo mamono tena. Betsaka ny olona tsy mahazaka ny « donam-piainana », zary mivarilavo. Maharikoriko sy mampihoron-koditra ny mahita ny fihanaky ny vaovao ratsy amin’ny tambajotran-tserasera. Tsy misy intsony ny hasin’ny ra sy ny aina. Firifiry ny olona maty misy mamono. Tsy lazaina intsony ny olona matin’ny hanoanana eny amoron-dalana. Mitombo izaitsizy ny mpatory an-dalana sy ny mpangataka. Tena ontsa ny fo, vaka ny saina.
Mifanindran-dalana amin’izany, miakatra ny tahan’ny tsy fandriampahalemana manerana ny lafivalon’ny Nosy. Mila fahamalinana sy fahamailona tanteraka na ny fivezivezena eny an-tsena fotsiny. Miandahy miambavy ny olon-dratsy sy ny mpandroba. Tsy mifidy taona na ny mpanendaka na ny voaendaka. Rava tanteraka ny fiarahamonina. Mahavita mifamorika sy mifampisompatra ny mpiray tanàna. Ny hala-boty izany dia tsy asiana teny intsony. Tsy hita ny voambolana hamaritana ny tena zava-misy marina.
Ankoatra ireo, tena hisintonana ny lakolosy mafimafy. Mila fandraisana andraikitra faran’izay haingana ny mikasika ny fanolanana sy fanimbazimbana ny zaza. Sady lasibatra no mahita faisana ny zaza na lahikely na vavikely. Misy ny maty sy ny mitondra takaitra mandra-maty, kanefa fandikan-dalàna anjakan’ny tsimatimanota indrindra izy ity. Asa ? Mety ny lalàna manenjika azy mihitsy no efa antitra sy tsy mifanaraka amin’ny toe-java-misy angamba ? Atao ny antso avo, tsy hanjakazakan’ny olon-dratsy.
Santionany amin’ny andavanandron’ny mponina eto Madagasikara ireo, ankoatra ny fihanaky ny zava-mahadomelina sy ny firoborobon’ny fikambanan-jiolahy sy zaza maditra etsy sy eroa. Mampiahiahy be ny hoavin’ilay firenena malagasy amin’ny ankapobeny. Efa marefo sy tsy hita izay hitondrana ny toekarena sy politika. Izao, tena potehina sy atao izay tsy hananan’ny fiarahamonina malagasy fototra intsony.
Misy vondrona na antokon’olona, milalao maloto eto amin’ny tany sy ny firenena. Miaro ny tombontsoan’ny tenany manokana sy ny harembeny ka mandravarava ny soatoavina. Ataon’ny vahoaka voazioga sy tsy manana ny maha izy azy intsony ahoana ny hihoatra na hiady ho an’ny tombontsoan’ny besinimaro. Mazava be, baikoin’ ny fitiavan-tena ny rehetra. Ahoana tokoa no hiadiana ho an’ny hafa kanefa na ny ankohonana aza mandry an-driran’antsy sy zara raha misakafo, ambany foitra ?
Tsy mbola mahavery fanantenana anefa na efa safotry ny hakiviana aza ny sarambabem-bahoaka. Manana adidy goavana ny mpitondra fanjakana, na efa tara aza, amin’ny fitadiavana vahaolana. Anisan’ireny ny fampihenan’ny mpitondra amin’ny ankapobeny ny fitiavan-karena sy ny fitiavan-tena. Fanilihana ireo mpanao ampihimamba ny harem-pirenena ao an-dapa sy ny manodidina azy.
Raha fehezina, fanadiovana ireo tendan-kanina sy tsy mahay mizara ho an’ny vahoaka no dingana voalohany, ialana amin’izao zava-misy izao. Manaraka ho azy ny fametrahana politika sy paikady mifanaraka amin’ny toe-java-misy sy ny hodidina. Vahaolana anaty hamehana kanefa ahitam-bokany haingana satria tena efa loza ity hoy Rainimanonja !
r.r




