Tsy hita be ihany

 

Nahoraka tato ho ato ny vaovao mahakasika ny fampihavanana sy ny fiaraha-mitantana. Izany dia tafiditra amin’ny zotra apetraky ny fianakaviam-be iraisam-pire­nena amin’i Madagasikara sy ny mpitondra. Tafiditra
anatin’izany ny ho fananganana governemanta iraisana, ahitana ny ankolafin-kery rehetra. Hahazo ny anjarany ny mpanohana ny fitondrana izay naongan’ny fanavaozana ankehitriny. Efa misy mamoakamoaka eny aza fa ho Praiminisitra, hono, ny volomboasary !
Teboka iray mahabe resaka eny anivon’ny fiarahamonina ihany koa ny momba an-dRajoelina Andry. Maho­raka izao ho fodiany an-tanindrazana izao na ny ho
fivoriana iarahany amin’ny filoham-pirenena teo aloha sy ny kly Randrianirina Michaël, filoham-panjakana. Sasa-miandry sy velombelom-panantenana izany avokoa ny
« forongony ». Misy aza ny miandry toromarika fotsiny, hono, dia lasa izao ! Asa hanao inona ? Tsy maintsy misy rahateo moa ny maty an-kazotokana sy tokam-po.
Hatreto anefa tsy mbola misy ny fanambarana mazava mahakasika ny dinika sy ny fandahara-potoana amin’ izany. Ny Filohan’ny fanavaozana no hany efa nilaza fa tsy misy manakana ny fodiany na ny fandraisan’ny mpitondra teo aloha anjara amin’ny dinika politika. Tombon­tsoa ambonin’ny firenena no jerena, fa ry zareo no nandositra sy niala raha ny filazany. Misokatra ny varavarana fa miankina amin’ny tsirairay izany na hody na hijanona sesitany.
Samy miandry no sasa-miandry ny vahoaka mala­gasy amin’ny fivoaran’ny toe-draharaha eto amin’ny tanàna. Raha ny zava-misy aloha, tsy mbola azo antoka akory ny ho fisian’ny fifidianana amin’ny taona ho avy. Ilay fikaonandoham-pirenena lazaina fa tarihin’ny FFKM ity tsy hita be ihany. Ny didim-panjakana manendry ny olona anatin’ ny rafitra aza vao nivoaka. Tsy ny raiamandreny am-panahy indray no mpitarika fa ny primatiora ! Tsy hita be ihany.

r.r

Partager sur: