Nitokana fotodrafitrasa maromaro tany atsimo ny filoha Rajoelina, ny faran’ny herinandro teo. “Isaky ny tonga aty Ambovombe: fitokanana, fanombohana asa, fitokanana. Mitohy ny asa ary miasa manakaiky vahoaka isika. Miahy ny vahoaka isika”, hoy izy, tany an-toerana. Nanteriny fa nimasoana nandritra ny efa-taona ny fametrahana ny fanjakana manakaiky vahoaka “Présence de l’Etat”. Notokanany tamin’izany ny foibe fiahiana, fampiofanana, sy fandraisana fitarainan’ireo iharan’ny herisetra. Nanteriny fa trano sy sehatra entina manakaiky vahoaka izany notokanana izany.
Nitohy tamin’ny fitokanana ny biraon’ny fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka ho an’ny faritra Androy, ao Ambovombe izany. Anisan’ ireo fotodrafitrasa manara-penitra sy vaovao maro naorin’ ny fitondrana tao anatin’ny efa-taona izany.
Ny mpitondra mandalo…
Efa tamin’ny andron’ny filoha Tsiranana ny biraon’ny kaomisaria any an-toerana. “Mandalo ny mpitondra fa ny asa mitoetra. Ary tsy ho hadinon’ny olona ny asa natao”, hoy ny filoha. Nitsidika ireo reny mitaizakely misitraka ny tetikasa tohana eo amin’ny sakafo iarahana amin’ny ONN ny filoha ary nizara sakafo mafana ho azy ireo. Nambaran’ny filoha koa fa hampitomboina ny isan’ireo fianakaviana misitraka ny tetikasa “Miavotse”.
Nizara ireo “Shoe’s Box”, na ireo fanomezana anatin’ny Tetikasa ankizy krismasy (ONG Tak) ho an’ireo zaza avy amin’ny fianakaviana marefo maro ao Ambovombe koa ny filoha. Nambaran’ny filoha fa ny fitaizana ara-panahy no fanomezana tsara indrindra ho an’ny ankizy ankoatra ny fanomezana nozaraina. “Mizara hafaliana amin’ ny zaza malagasy isika anio, indrindra ny aty Atsimo”, hoy izy.
Synèse R.
Niara-namarana ny Ramadan tamin’ny mpino silamo teny Ankorondrano, ny filoha Rajoelina Andry ny herinandro teo. Nanotrona izany sy niaraka taminy ny mompera Pedro.
“Fanehoana firaisankina sy fihavanana ary tsy fanavahana finoana izao. Sambany rahateo ny nahitana filoham-pirenena niara- namarana Ramadan taminay”, hoy izy ireo.
Nanambara kosa ny filohan’ny Repoblika fa ilaina ny finoana, ahafahana mampandroso ny tena sy ny fiainana andavanandro ary ny firenena. “Zava-dehiibe ny lanjan’ny finoana ka antony nandraisana ny didim-panjakana, nanaovana ho andro tsy iasana ny “Eid El Fitr”, famaranana ny Ramadan”, hoy izy.
Nohamafisiny fa hajaina ny finoana rehetra. Zava-dehibe ho an’ny firenena ny firaisampo sy ny firaisantsaina. Samy zanak’Andriamanitra daholo isika rehetra, araka ny nambarany.