Mois : avril 2023

Madagascar Airlines : hampiroborobo ny sehatry ny fizahantany

Nanao sidina nanomboka, omaly, teto amin’ny lanitry ny Nosintsika ny Madagascar Airlines rehefa nahazo ny taratasy fankatoavana avy amin’ny “Aviation civile de Madagascar” (ACM). Afako­maly alina, nisy ny fanambarana nataon’ity kaompania ity momba ireo fepetra sy ny dingana rehetra nataony. Anke­hitriny, vonona ny hampiroborobo indray ny sehatry ny fizahantany sy […]

Fampiroboroboana ny jono: hamafisina ny paikady sy ny lafiny teknika

Miainga avy any ifotony miaraka amin’ireo pitsopitsony samihafa izay handraisan’ny rehetra anjara ny fampandrosoana ny jono eto Madagasikara. Misy ny paikady manokana dinihina hana­tsarana izany. Fananana paikady mirindra izay handraisan’ny rehetra anjara hanatsarana ny jono eto Madagasikara. Io no tanjona napetraky ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, mandritra ny […]

Fivezivezen’ny kamiao : hentitra amin’ny fanajana ora ny CUA

Nanao fampahatsiahivana ny kaominina Antananarivo Renivohitra mikasika ny ora fivezivezen’ny fiara vaventy na ny kamiao anaty tanàna. Araka ny voafaritry ny Arrêté interministeriel N°11350/ 2015 dia mazava tsara ary efa fantatr’ireo mpampiasa ireny kamiao ireny ny ora fivezivezena. Ho an’ireo fiara vaventy mihoatra ny 16 taonina (PTAC), voafetra amin’ny 9 […]

Nifin’Akanga : “Goragora ny lalàna mifehy ny fanalan-jaza”

Voafaritra ho anisan’ny firenena afrikanina manana fehezan-dalàna goragora mikasika ny fanalan-jaza i Madagasikara nanomboka ny taona 2017, raha ny fanazavana voaray avy eo anivon’ny fikambanana Nifin’Akanga. Nilaza izy ireo fa antony faharoa mahatonga ny fahafatesan’ny reny betsaka eto Madagasikara ny fahasarotana ateraky ny fanalan-jaza tsy azo antoka. Vokatry ny fahaverezan-dra […]