Ankoatra ny basy : tratra ny olona iray mpitahiry omby halatra

Tsy handefitra mihitsy! Dahalo iray mpitahiry sy mpandray omby halatra no tratran’ny zandary tao Ampa­­nihy Andrefana, afakomaly. Nahi­tam-bokany ny fidinana ifotony nataon’ny zandary manao hetsika fampandriana fahalemana amin’iny faritra iny, tarihin’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zan­dari­maria Ampanihy Andre­fana, ny kapiteny Manan­tsoa Lanto. Tao amin’ny kaominina Beahitsy, distrikan’Ampani­hy Andre­­fana no nanaovan’izy ireo hetsika manokana noho ity toerana ity anisan’ny faritra mena amin’ny asan-dahalo. Nahitam-bokany izany satria basimborona marika Baïkal iray tsy misy taratasy, omby 11 tsy nisy taratasy ihany koa ary ity dahalo mpanao famotsian’omby halatra ity no tratran’ny zandary. “Tsy handefitra ny zandary amin’ny tsy fanarahan-dalàna tahaka izao. Misokatra ny famotorana ary isaorana ireo olom-boafidy, olom-boatendry nifanome tanana ka nahazoana izao vokatra izao”, hoy ny kapiteny Manantsoa Lanto.

Jean Claude

Partager sur: