Aparitaka ao Ambanja : roa lahy nahatrarana vola sandoka

Hatolotra ny fampanoavana aorian’ny famotorana ireto lehilahy roa voarohirohy noho ny fitondrana vola sandoka tao Ambanja, omaly, ireto. Ny polisy ao amin’ny kaomisaria Ambanja no nahasambotra azy ireo. Loharanom-baovao no azon’ny polisy momba ny fisiana lehilahy roa manaparitaka vola sandoka ka nahafahana nisambotra azy ireo. Natao ny vela-pandrika ka tratra tao Amoronala, distrikan’ Ambilobe, ireo jiolahy ireto. Tratra teny aminy ny vola sandoka amin’ny ravim-bola 20 000 Ar mitentina 3 110 000 Ar. Ny famotoran’ny polisy no nahafantarana fa vola sandoka nalain-dry zalahy tany Sambava ireo vola ireo ka saika haparitaka ao Ambanja.

Jean Claude

Partager sur: