Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, omaly, amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao. Nambara fa tsy anisan’ny tafiditra ao anatin’ny lahadiniky ny Antenimiera ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny fifidianana. “Hiverina sy hiampy indray ny lesoka izay efa nanolorana sosokevitra tamin’ny fikarakarana ny fifidianana farany teo. Voaporofo fa tsy vonona hisokatra sy hifampihaino ny mpanao politika sasany. Samy mijery ny tombontsoany manokana”, hoy izy ireo. Nohamafisin’ny KMF/Cnoe fa tsy ekena ny fikitihana ny lalàna raha hifototra amin’ny hevitr’olon-tokana na firehana manokana. « Aleo kokoa mampihatra ny efa misy rehefa tsy sahy na tsy te hihaino ny hevitry ny hafa », araka ny fanambarana.
Etsy andaniny, niarahaba ny mpisehatra eo amin’ny asa fanaovan-gazety ny KMF/ Cnoe noho ny andron’ny 3 mey teo. “Fototra manamafy orina ny demokrasia sy ny fampandraisana andraikitra ny olom-pirenena ary fampandrosoana azo antoka ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety”, hoy izy ireo.
Notsiahivin’ny fanambarana fa antoky ny firindran’ny fifidianana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ka sarotiny amin’izany koa ny eo anivon’ny KMF/Cnoe.
Synèse R.




