Filohan’ny Fanavaozana : “Tanjon’ny mpampihorohoro ny hidiran’ny iraisam-pirenena”

“Efa fantatsika rehetra hoe: iza no tena ao ambadik’izao fampihorohoroana vahoaka izao? Ny tanjon’izy ireo dia ny hidiran’ny fiombonambe iraisam-pirenena amin’ny ra­haraha anatiny eto amin’ny firenentsika ka anantenan’ilay olona miketrika izao tetika maloto izao hiverina ao Madagasikara”. Io ny hafatry ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Ran­drianirina Michaël, ho an’ny vahoaka malagasy tamin’ny fihaonany tamin’ireo teratany malagasy monina any Egypte, afakomaly. Manoloana ny fampihorohoroana amin’ny fangalarana sy famonoana olona eto an-toerana, mba tsy hanaiky handairan’ireo vaovao aparitak’ireo kaonty miafina anarana amin’ny tambajotran-tserasera. Efa misy ny fandraisana andraikitra isan-tokony hifehezana ny raharaha: “task force”, ivom-pibaikoana amin’ny fikarohana sy fanenjehana ny olon-dratsy, ny andrimasom-pokonolona.
Handraisana vahaolana haingana ny vatsim-pianarana ho an’ireo Malagasy any an-toerana. Ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola sy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa no hisahana ny amin’izay hanatsarana ny fanampiana isan-taoana ho azy ireo.
Nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Alice N’Diaye, sy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra sy ny paositra ary ny fifandraisan-davitra, Andriamampiadana Ma­hefa, kosa fa ao anatin’ny tapa-bolana no haroso amin’ny filankevitry ny minisitra ny volavolana didim-panjakana hamerana ho folo taona ny faharetan’ny pasipaoro. Mo­mba ny hisian’ny masoivoho any an-toerana, nambaran’ny filoha fa amin’izao fitsidihana ofisialy izao no handinihina an’izay. Azo atao ny manendry konsily am-boninahitra ilana ny fanapahan-kevitry ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy.

R. Nd.

Partager sur: