Natao tao anaty mofo… : lehilahy efatra tratra nitondra “cristal”

Karazana zava-mahadomelina mahery vaika hafa indray ! Lehilahy efatra indray nosamborin’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany voalohany (CSP1) Analakely teny Ambo­­difilao, afakomaly maraina. Voarohirohy noho ny fivarotana zava-mahadomelina mahery vaika “cristal” izy ireo, araka ny tatitra nampitain’ny polisy. Manoloana ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina manimba ny tanora eto an-drenivohitra, mandray ny andraikiny ireo polisy miasa eto an-drenivohitra mba hahafahana misambotra ireo tompon’antoka amin’ny fiparitahan’izany. Nahazo angom-baovao ny polisy (CSP1) ka fantatra tamin’izany ny fisiana lehilahy roa mivarotra “cristal” eny Ambodifilao. Nanao ny vela-pandrika ny polisy ka tratra teo am-pivarotana izany izy roa lahy. Mbola hita teny amin’izy ireo ity karazana zava-mahadomelina mahery vaika ity natao tao anaty mofo. Nentina nanaovana fanadihadiana teny amin’ny biraon’ny polisy ry zalahy. Nandritra izany no nilazan’izy ireo ny mpamatsy ity karazana rongony mahery vaika ity. Tratra teny Faravo­hitra tao amina trano fandraisam-bahiny iray ireo namany niaraka tamin’ireo fonosana “cristal” maromaro.

Jean Claude

Partager sur: