Sendra ny nahay azy! Ravan’ny alika mpitsongodia nampiasain’ny zandarimaria ireo tambajotra mpanao trafikana rongony tratran’ny zana-tobim-paritra Mandrosoa/Tobim-paritra Talatamaty, omaly.
Araka ny fanazavan’ny chef de poste Mandrosoa, ny GPHC Ramanandafy Fils, nahazo loharanom-baovao izy ireo momba ny fisian’ireto olona mpanao trafikana rongony ireto eny amin’ny manodidina iny faritra iny. Nidina teny an-toerana ny zandary niaraka tamin’i Matt (ilay alika mpitsongodia) nanao hazalambo ireo olona ireo. Voamarina tokoa ny fisian’ ireo olona dimy ka noraisim-potsiny niaraka tamina fonosan-drongony 1 014, milanja 11,5 kg. Nisy olona roa hafa voatondro ho tompon’antoka amin’ny famatsiana ireo rongony ireo. Efa voasambotra ny volana febroary 2023 izy ireo ka efa naiditra eny amin’ny fonjan’Antanimora. Lasa mirongatra izaitsizy tato ho ato ireo tambajotra misehatra ao anatina zava-mahadomelina, na ireo ambolena izany na ireo vovoka (trohana sy hitsindronana). Ireo tanora no tena mitondra faisana sy miankin-doha amin’izy ireny. Miezaka manao fanentanana hatrany anefa ny mpitandro filaminana mba ho mailo hatrany ny ray aman-dreny amin’ny fitaizana ny zanaka ao an-tokantrano.
Jean Claude




