Mahita hirika foana ! Hatolotra ny fampanoavana, aorian’ny famotorana azy, ity lehilay iray tratra nitondra héroïne teny amin’ny Lakandranon’Andriantany Antohomadinika, omaly ity. Ny polisy avy ao amin’ny poste avancé Ilanivato no nahasambotra azy. Voarohirohy ho mpivarotra sy mpanao trafikana zava-mahadomelina “héroïne” izy. Tsikaritr’ireo polisy manao fanamiana sivily manao ny asa teny an-toerana ny fisiana lehilahy iray voalaza fa mpivarotra zava-mahadomelina mahery vaika amin’iny faritra iny. Fantatra tamin’ny alalan’ny fanadihadiana nataon’ny polisy fa ity lehilahy ity no mpamatsy héroïne sy cocaïne eny amin’ ny manodidina. Niroso tamin’ ny fanaraha-maso sy ny fanarahan-dia azy ny polisy ka sarona tao anaty vela-pandrika izy. Nafeniny tao anatina tranon’afokasoka ireto héroïne ireto. Nentina nanaovana fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny polisy avy hatrany izy.
Jean Claude




