Maty voajanahary, lehilahy iray natsingevan’ny rano tetsy ambany tetezana Ambohidroa, boriborintany fahenina, omaly. Mpaka trondro sendra nivoy lakana no nahakasika ny vatana mangatsiakan’io maty an-drano io. Hatairana, niantso ireo manodidina avy hatrany izy. Vory lanona tao anatin’ny minitra vitsy ny mponina. Nijery ifotony ny zava-nisy ny polisy avy eo anivon’ny CSP6. Niditra an-tsehatra tamin’ny fakana ny vatana mangatsiakan’io namoy ny ainy io ny eo anivon’ny BMH. Lehilahy manodidina ny 40 taona ity narendriky ny rano ity. Fahafatesana voajanahary no nahazo azy, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Tsy mponina eny amin’io fokontany io ity maty ity, araka ny fanamafisan’ny manodidina. Marihina, nahitana fatin-jazakely nisy nanary tsy lavitra ny toerana nisy ny vatana mangatsiakan’ity raim-pianakaviana ity vao iray volana lasa. “Efa nisy fatin-dehilahy iray hafa koa herinandro monja tao alohan’ny nahitana io fatin-jazakely io”, hoy ny mponina eny an-toerana.
Tsiferana R.