Nametraka ny fitaovam-piadiany ka nitolo-batana tao amin’ny zandary, afakomaly, ireo Zazafotsy 33.
Manoloana ilay raharaha Zazafotsy tao amin’ny kaominina ambanivohitr’Anjiajia sy Manerinerina, distrikan’ Ambatoboeny, nanatanteraka hetsika manokana “Jaboady” ny zandary ao an-toerana mba hamerenana ny fandriampahalemana. Mandritra ny 15 andro ny hanaovana ity hetsika ity, taorian’ny fivoriana niarahana tamin’ny OMC. Nodinihina tamin’izany ny fampiharana ny lalàna nivoaka ny 2017, tao amin’ny distrikan’Ambatoboeny amin’ny hanafoanana ny “Zazafotsy”. Nisy ny fanentanana nataon’ireo tomponandraiki-panjakana ao an-toerana niaraka tamin’ireo raiamandreny sy ireo andiana tanora. Nahitam-bokany izany satria tonga nitolo-batana tao amin’ny zana-tobim-paritry ny zandarimaria ao Anjiajia ireo Zazafotsy 33 (nahitana vehivavy dimy) eo anelanelan’ny 12 hatramin’ny 32 taona. Navelan’izy ireo koa ny fitaovam-piadiana fampiasany. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, niaiky ireto tanora ireto fa tsy nety tokoa ny zavatra nataon’izy ireo ka antony nahatonga izao fanapahan-kevitra izao. Mitohy hatrany ny hetsika ataon’ny zandary ao an-toerana.
J.C