Depiote Milavonjy Philobert : “Tsy mitondra vokatsoa ho an’ny vahoaka ny Tetezamita”

“Voizin’ny mpanohitra amin’izao fotoana izao ny hoe fitondrana Tetezamita. Ia­raha-mahalala fa tsy mitondra vokatsoa ho an’ny vahoaka malagasy izany. Raha ny tantara teo aloha no jerena, vao mainka mampikororosy fahana ny toekarena sy mampitombo ny fahantran’ny vahoaka ny fisian’izany fitondrana Tetezamita izany.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny tsy miankina tany Am­bovom­be, faritra Androy, i Mila­vonjy Andriasy Philo­bert, manoloana ny fitakian’ny mpanohitra sasany fitondrana Tetezamita amin’izao ankatoky ny fifidianana filohan’ny Repoblika izao.

“Koa mampirisika hatrany ny fitondram-panjakana izahay mba hiroso amin’ny fifidianana izay efa voaomana sy voarakitra ao anatin’ny lalàna ny fanatanterahana azy amin’ity taona ity”, hoy izy. Samy manan-kolazaina mo­mba ny raharaham-pirenena ny rehetra. Mahatsapa izy fa misy ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’izao: ampirisihany amin’izany eza­ka ataony izany, indrindra ny hisian’ny filaminana sy fitoniana tanteraka amin’izao ankatoky ny fifidianana izao.
Misy ny fotodrafitrasa vita any Androy

Raha fotodrafitrasa no resahina, mahita sy mahatsapa izy fa tsy nahita fitondram-panjakana nahavita mihoatra ny ataon’ny amin’izao. Izay raha any amin’ny faritra Androy manokana, araka ny nambarany. Vao haingana ny fanombohana ny asa fametrahana ny fantsona itarihana ny ranon’i Efaho mankany Ambovombe Androy. Efa an-dalam-panamboarana ny lalam-pirenena RN 13 mampitohy an’Ambovombe sy Taolanaro. An-taonany maro no niandrasan’ny vahoakan’ Androy an’izany asa lehibe izany. “Ankehitriny, ny fitondrana tarihin’ny filoha Rajo­elina no manatanteraka an’izany asa lehibe any amin’ny faritra Androy izany”, hoy ihany izy.

R. Nd.

Partager sur: