FANTINA sy FINTINA

Nandrangaranga ny hanao ampamoaka momba ny olan’ny orinasa Jirama, ny filohan’ny vaomiera mpanadihady eo anivon’ ny Antenimiera, ny depiote Rakotoniaina Pety. Nohitsiny fa tsy rariny ireo tranga amin’ny fitantanana ity orinasam-panjakana ity. Eo koa ny hanatonan’izy ireo amin’ireo tompon’andraikitra tafiditra amin’izao raharaha izao.
Mametraka tanjona ho an’ny lisi-pifidianana eken’ny rehetra, tsy hisy anarana miverina indroa na mihoatra na koa olona tsy tokony ho voasoratra anaty lisi-pifidianana ny eo anivon’ny Ceni, araka ny nambaran’ny filohany, Rakotonarivo Thierry, omaly. « Toky no omenay fa hanao fanadihadiana indroa hamaranana tanteraka ny lisi-pifidianana », hoy izy.
Hanadihady ny fampiasam-bola tamin’ny fanatanterahana ireo tetikasa sy fotodrafitrasa teo ambany fiahian’ny fiadidiana ny Repoblika teo aloha ny eo anivon’ny parlemantera. « Tafiditra ao anatin’izany ny famatsiam-bola momba ny Tana masoandro, ny arabe migodana Antananarivo – Toamasina. Eo koa ny tetikasa Fihariana », hoy izy ireo.
Manomana ireo fanapahan-kevitra horaisin’ ireo filoham-panjakana eo anivon’ny Sadc ny fivo­rian’ny filankevitry ny minisitra eo anivon’ity vondrom-paritra ity, omaly. Nambaran’ny minisitry ny Rahara­ham-bahiny, N’diaye Alice, ny fampiraisana ara-paritra iarahana mandray anjara, mifanohana, ary mifototra amin’ ny hetsika azo tsapain-tanana.

Partager sur: