Nanao ranolava ireo vahiny. Telo sosona be izao ireo masoivoho noraisin’ny filohan’ny Repoblika teny Iavoloha, ny 17 mey teo. Nanamafy ny fiaraha-miasany amintsika avokoa izy ireo.
Anisan’izany ny masoivoho vaovaon’i Finlande, monina any Maputo, i Anna-Kaisa Heikkinen, nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto amintsika tamin’ny filoha Rajoelina Andry.
Anisan’ny noresahana nandritra izao fihaonana izao ny fanamby iraisana sy ny fiaraha-miasa manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Samy miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro ny firenena roa tonta na mifanalavitra aza, noho i Finlande akaikin’ny “Cercle polaire arctique”. Voaresaka ny fiaraha-mientana iraisam-pirenena hiatrehana izany fiovaovan’ny toetr’andro izany maneran-tany. Teo koa ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny fampianarana ambony, ny fiarovana sy ny fandriampahalemana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Ankoatra izany, anisan’ny noraisin’ny filoha ary naneho ny fahavononany hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny politika, toekarena sy ny kolontsaina ary hampiroborobo ny fifandraisana efa misy ny masoivoho vaovaon’i Vietnam eto amintsika, i Pham Hoang Kim. Noraisin’ny filoha ny taratasy manendry azy hiasa eto amintsika.
Hanampy amin’ny famokarana vary
Etsy andaniny, nandray ny taratasy manendry ny masoivoho vaovaon’i Pakistan, Muhammad Arshad Jan, koa ny filoha Rajoelina Andry. Hiompanan’ny fiaraha-miasa ny sehatry ny fampianarana ambony. Anisan’izany ny fanoloran’i Pakistan vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra eo amin’ny resaka fitsaboana, ny “Ingénierie”, ny banky sy ny diplomasia. Vonona hanamafy ny fiaraha-miasa ho fampiroboroboana ny sehatry ny indostria malagasy koa i Pakistan, indrindra eo amin’ny famokarana vary, simenitra sy ireo vokatra azo avy amin’ny jono.
Synèse R.




