“Hitanay tamin’ny volana lasa teo fa miverina indray ny fisiana didim-pitsarana hosoka maromaro tonga eto anivon’ny firaketan-draharaha, fitsarana ambaratonga voalohany, Antananarivo”. Io ny nambaran’ny lehiben’ny firaketan-draharaha, fitsarana ambaratonga voalohany (I), Antananarivo, ny Me Herinatrehana Inham Ella, teny Anosy, omaly. Mamanafy izany ny fisiana didim-pitsarana hosoka enina voarain’izy ireo.
Entaniny, araka izany, ny olona any amin’ny toerana lavitra na any ambanivohitra mba ho tonga eny amin’ny firaketan-draharaha, raha misy didim-pitsarana mampiahiahy. Ohatra, tsy naseho amin’ireo manan-draharaha ilay didim-pitsarana, nefa mandidy azy ireo hiala amin’ny tany misy azy na handrava ny trano ipetrahany. Malalaka ny fandraisana ny olona eny amin’ny firaketan-draharaha, raha mbola eny amin’ny ambaratonga voalohany ny fitsarana ny raharaha momba azy.
Mila mailo ny rehetra amin’ny fiadiana amin’ny fanaovana hosoka. Tsy vitan’ny eo anivon’ny firaketan-draharaha irery izany. Tsy tokony hanana fahatahorana hiditra fitsarana koa izay manan-draharaha. “Izay no mahatonga ny olona hanararaotra hanao didim-pitsarana hosoka”, hoy izy.
Tsy misokatra ny fitsarana
Hapetraka amin’ny toerany amin’ny alatsinainy izao ny tonia mpampanoa lalàna vaovao eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Antananarivo. Noho izany, tsy hisy ny fandraisana an’ireo rehetra manan-draharaha eny an-toerana. Tsy hisy koa ny fanoloran-draharaha eo anivon’ny fampanoavana. Tokony hijery ny peta-drindrina izay manan-draharaha, manomboka ny 23 mey maraina. Amin’izany no hijereny ny fotoana nanemorana ny raharaham-pitsarana momba azy, izay tokony handeha amin’ny 22 mey.
R. Nd.




