Mila arenina ny tontolo iainana mba hanatsarana ny endri-tany sy ny atiala ary ny fiveloman’ny vondron’olona ifotony. Tafatsangana ny tetikasa “Tefiala” hiasana mandritra ny dimy taona hanarenana ny tany sy ny ala simba amina velaran-tany 4 tapitrisa ha.
Fanatsarana mirindra ny endri-tany sy fanarenana ifotony ny atiala amina velaran-tany mirefy 111.243 ha. Ireo ny napetraka amin’ny tetikasa “Tefiala” amin’ny fanatrarana ny tanjon’i Madagasikara amin’ny fanarenana ireo tany sy ala simba mirefy 4 tapitrisa ha hatramin’ny taona 2030. Hisahana ny ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony sy Atsimo Andrefana ny tetikasa. Izany hoe, ao amin’ny endri-tanin’i Volanony-Matsiatra sy Ranomainty, distrikan’i Vohibato sy Lalangina ary ao amin’ny endri-tanin’i Mangoky, distrikan’i Morombe. Efa nomanin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana loivainjafy (MEDD) hatramin’ny taona 2018 ity tetikasa ity. Nangonina, nandritra izay, ireo antontan-taratasy sy tahirin-kevitra rehetra mifandraika amin’izany. Taorian’izay, natolotra ny GEF ny tetikasa ka nisitraka famatsiam-bola mitentina 7.334.247 dolara i Madagasikara hanatanteraka ny tetikasa mandritra ny dimy taona (2023-2028).
Vokatra
Fanatsarana ny tontolo iainana, fanarenana ny endri-tany sy ny atiala ary ny fiarovana ny zavaboary. Fampiroboroboana ireo fomba enti-manatsara ny endri-tany sy manarina ny atiala. Eo koa ny fanarenana ifotony ny atiala ary ny fampivoarana ny velontenan’ny mponina. Ary ny fanaraha-maso ny tomban’ezaka sy fizarana ireo fahaiza-manao tsara haparitaka. Ireo ny asa mamaritra sy tanjon’ny tetikasa. Ankoatra izay, ampidirina anatin’ny drafi-panajariana sy drafi-pitantanana ny fanatsarana mirindra ny endri-tany miisa telo. Ao koa ny fanomezana tohana an’ireo vondron’olona ifotony izay mitantana maharitra ny tany sy ny ala. Mila avoitra anatin’izany ny fomba ahitan’izy ireo lalam-barotra amin’ny fivelomana samihafa. Etsy ankilany ny fanaraha-maso ny fizotry ny asa ary ny fametrahana paikady hoentina mampahafantatra ny tanjona ataon’ny tetikasa.
Henintsoa Hani