Lalàna momba ny fampiasam-bola : hanampy amin’ny fampiroboroboana ny indostria

Tanterahina etsy amin’ny Novotel Alarobia, nanomboka omaly hatramin’ny zoma izao, ny atrikasa momba ny fandaharanasa maharitra ho an’ny indostria eto Madagasi­kara (Journées de programmation industrielle). Dinihina mandritra izany ny tondrozotra mazava hampiroboroboana ny indostria eto amintsika. Ao koa ny dinika niarahan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy mi­­ankina na ny “dialogue public privé” (DPP), herintaona lasa izay. Fantatra fa lany sy nankatoavin’ny solombavambahoaka ny lalàna momba ny fampiasam-bola. Raha mbola miandry fankatoavana ny eo anivon’ny Antenimie­ran­doholona izany. Dingana efa nandrasan’ny mpampiasa vola rahateo ny hanavaozana ny lalàna momba ny fampiasam-bola eto Madagasikara. Maro, araka izany, ny teboka ahafahana manatanteraka ny fanavaozana ity lalàna ity. Ao ny fampitovian-jo ho an’ireo mpampiasa vola vahiny sy malagasy. Eo koa ny fanamorana ny fanampiana an’ireo indostria sy ny fampiroboroboana izany. Fanamby napetraky ny fanjakana rahateo ny fananganana indostria isam-paritra.

Fiaraha-miasa maharitra
Hanampy amin’ny fanatanterahana izany koa ny fanohizana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpampiasa vola efa naira-niasa tamin’i Madagasi­kara. “Tsy maintsy atao laharam-pahamehana ny fanohizany fiaraha-miasa amin’ireo mpandraharaha mivondrona eo amin’ny sehatry ny indositria mba hahafahan’izy ireo mampivelatra sy manome asa ho an’ny tanora”, hoy ny minisitry ny Fampiroboro­boana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, Razafin­dravahy Edgard. Notsindriany tamin’izay fa handraisana fe­petra kosa ireo orinasa miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana tsy manara-dalàna. Maro, hoy izy, ny ezaka ataon’ny minisitera amin’ny fanohanana sy fanampiana ireo mpandraharaha malagasy.

Henintsoa H.

Partager sur: