Nisongadina tamin’ny tatitra fanolorana ny asa fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanjakana, nataon’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza, fa manana andraikitra goavana amin’ny fanatanterahana ny velirano voalohan’ny filohan’ny Repoblika ireo mpitandro filaminana. Teo ny fanitsian-drafitra marolafy eo anivon’ny Tafika Malagasy. Nisy koa ny famolavolana paikady nentina nametrahana filaminana sy fandriampahalemana tao amin’ny faritra telo (Alaotra Mangoro, Betsiboka, Analamanga). Niara-nisalahy tao anatin’ny “Opération Harato” ireo mpitandro filaminana ka nampihena ny tsy fandriampahalemana tamin’ireo faritra ireo. Narahin’ny hetsika “Tselatra”. Teo koa ny fahazoana ny helikoptera MH 130 mba hahafahana manakaiky hatrany ny vahoaka. Nohamafisin’ny zandary koa ny hetsika “Tagnamaron’ny fandriampahalemana” mba hahafahana manakaiky kokoa ny vahoaka. Toy izany koa ny fanorenana ireo fotodrafitrasa ho an’ny polisim-pirenena.
Jean Claude