Tetikasa Art et biodiversité : misokatra ny fifaninanana

Nisokatra nanomboka omaly ka tsy hifarana raha tsy amin’ny 9 jolay izao, ny fifaninanana tetikasa “Art et biodiversité”, andiany faharoa. Atao izao hanamarihana ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny karazan-javamananaina, ny 22 mey lasa teo.
Natao ho an’ireo mpanakanto sy fikambanana misehatra amin’ny tontolo iainana ity fifaninanana karakarain’ny Fondation des aires protégées et de la biodiversité de Ma­dagascar (FAPBM) ity. Tanjo­na ny hitarihana sy hanentanana ny tanora hiaro ny karazan-javamananaina. “Lohahevitra amin’ity fifaninanana andiany faharoa ity ny fifanarahana manjary asa: ndao hanarina ny karazan- javamananaina. Izany hoe, hiantsoana an’ireo mpiara-miombon’antoka hikojakoja ny tontolo iainana”, hoy ny fanazavan-dRalaiharijaona Anjara, mpikambana ao amin’ny La Tein­turerie. Tanjona ny hanomezana tosika an’ireo mpanakanto izay mivoy hafatra ho an’ny fiarahamonina ka hahafahan’ny rehetra misitraka ny kanto entiny. Tsiahivina fa efa nanao fifaninanana tetikasa toy izao ny FAPBM sy ny La Teintu­rerie tamin’ny herintaona.

Henintsoa H.

Partager sur: