Tohana Star: nahazo fotodrafitrasa i Mahazina Ambatolampy

Mitohy ny anjara biriky entin’ny orinasa Star amin’ny fampivoarana ny mpiara-monina eo amin’ny lafiny toekarena sy sosialy (RSE). Ani­san’ny nisitraka izany ny any Mahazina, distrika Amba­to­lampy, toerana misy orinasa Star. Notokanana ny 23 mey teo ny efitrano sekoly vaovao miisa roa, ho an’ny ambaratonga fahatelo. Efa misy latabatra sy dabilio ary solaitrabe ao anatiny, no natolotra ny mponina.
Anisan’ny nanatrika ity lanonana ity ny tale jeneralin’ny Star, Marc Pozmentier, ny talen’ny serasera Star, Randriam­bolamanana Seheno, ary ireo tomponandraikitry ny sekoly sy ny kaominina Ambatolampy.

Njaka A.

Partager sur: