Sakafo Malagasy : tsy tafapetraka intsony ny hasin’ny hanimpitoloha

Ny anarany amin’ny maha hanimpitoloha azy sisa no ahafantarana azy ankehitriny fa efa very tanteraka ny dikany. Sakafo tena nanana ny naha izy azy teo amin’ny Malagasy anefa izany fahiny, ary natao ho fanomezana hasina sy firariana soa ny rehetra.

Sakafo fanao amina fety lehibe, tao an-dapa, tamin’ny vanim-potoana faha mpanjaka ny hanimpitoloha. Niavaka sy nanana ny dikany ary ny hasiny izany. Karazana sakafo 7, sa­my manana ny maha izy azy no mandrafitra izany hanimbe izany. Ny herin’ilay biby na zava-maniry sy ny hasiny no fepetra nifantenana azy ho anisan’ny ha­nimpitoloha. Tanjona amin’ny fanomezana sy fihinanana hanimpitoloha ny hahafeno hasina sy hery izay mihinana azy. Hahazo ny hery sy ny hasin’ilay biby na zava-maniry haniny. Heverina ho samy mahazo fitahiana sy hasina ary tsodrano avokoa ny olona rehetra, hatramin’ny Andriamanitra sy ny razana amin’ny fihinanana ny hanimpitoloha.

Sakafo feno ary ara-
pahasalamana tanteraka

Karazana sakafo maro samihafa no mandrafitra ny hanimpitoloha. Voalohany, ny Vary rojomena. Ny vary izay nosokajiana ho Andria­manitra, izy no foto-tsakafon’ny Malagasy. Faharoa, ny ronono velona. Hevitr’izany ny firariana ho lava velona sy ho ela finaritra ary ny loko fotsy izay midika ho fahadiovana. Fahatelo, ny tantely velon-dray, velon-dreny, izay maneho fahamamiana sy firariana mba ho ela velona ny ray aman-dreny. Fahaefatra, voankazo sy anana, izay voany sady hazo mba hamoa sy ho tanteraka ireo kinasa ary hanana izay mbola tsy vory. Fahadimy, hazandrano, manana ny hevitra fonosiny mba tsy ho very an-tanety ary tsy ho rendrika an-drano fa ho tsara tsodrano hisosa izay rehetra kinasa. Fahaenina, biby tongo-droa, fisoronana entina hisaorana ny Zanahary sy ny Razana noho ny soa rehetra azo. Ny akoho amam-borona no tena fanao amin’izy ity. Fahafito, biby tongotra efatra, izay ny omby no fanao aminy. Firariana mba hahery, hatanjaka, sy hazava loha amin’ny zavatra atao, ary mba hitombo harena.
Misy ihany koa ny manao ny ondry amin’ity karazana sakafo ity, ny ondry izay heverin’ny olona ho mitondra hasina. “Ara-pahasalamana tanteraka ary sakafo feno ny hanimpitoloha” hoy Dr Ra­zakandrina Francine, mpitsabo manana fahaizana manokana momba ny sakafo. Hita ao avokoa mantsy ny voankazo sy ny legioma. Eo ihany koa ny hena sy ny vary.

Very ny maha izy azy

Ara-tantara, tany amin’ny manodidina ny taona 1600 tany no nanaovan’ny Malaga­sy voalohany azy ity, izany hoe, tany amin’ny fanjakan-dRalambo. Notohizana sy nolovain’ireo mpanjaka ni­fandimby izany, ary zary fomba fanao. Mbola nisy ny fanaovana azy teny ampiandohan’ny vanim-potoana fa­ha-zanatany. Zary takon’ny fomba vahiny izany ka tsy tonga taty amin’ny taranaka aty aoriana intsony. Ireo trano fisakafoana lehibe sy rehefa misy fankalazana lehibe sisa vao ahitana hanimpitoloha, ankehitriny.
Tsy voatazona intsony anefa ny maha hanimpitoloha azy tany amboalohany fa lasa hanimbe sisa. Ny hanimbe izay karazana hena maro sa­mihafa no mameno azy. “Mie­zaka hatrany izahay mamerina ny fomba sy ny kolontsaina malagasy, anisan’izany ny hanimpitoloha, izay tena nampiavaka ny Malagasy, indrindra ny teto Imerina”, hoy Rakotoariman­ga Olivier, mpikambana ao amin’ny vondrona mpandala ny fomba sy kolontsaina malagasy.

Lin(Mpianatra asa)

Partager sur: