Hatomboka amin’ity herinandro ity ny fametrahana ireo kaontera 5.000 isa avy amin’ny orinasa Jirama. Andrasana afaka herinandro vitsy kosa ireo 20.000 ambiny sy ny manaraka rehetra. Araka izany, ho tonga eny anivon’ny tokantrano tsirairay avy ireo teknisiana, ho an’ireo mpanjifa eto Antananarivo izay nahaloa ny “devis” 30.000Ar. Efa misy fahana […]
Mois : mai 2023
Fizahantany : mpizahatany 1 tapitrisa andrasana ho tonga eto Madagasikara
Nametraka tanjona ny hampiakatra ny isan’ireo mpizahatany tonga eto amin’ny Nosy ny minisiteran’ny Fizahantany. “Tanjona ny hanatrarana 1 tapitrisa mpizahatany ny taona 2028”, hoy ny minisitry ny Fizahantany, Randriamandranto Joël, omaly, teny amin’ny CCI Ivato. Maro ny paikady entina hanantanterahina izany, tafiditra amin’izay indrindra ny hetsika International tourism fair Madagascar (ITM), […]
Famatsiam-bola Fec: andrasana ny filankevi-pitantanan’ny FMI
Nisy ny marimaritra iraisana teo amin’ireo delegasion’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) sy ny mpitondra fanjakana malagasy. Nisy ezaka vita ny fanjakana fa maro koa ny mila hatao. Namita iraka teto Madagasikara izy ireo, ny 3 hatramin’ny 12 mey teo, mikasika ny Fampindramam-bola nohamoraina (Fec), andiany fahefatra. Efa nankatoavina ny marsa 2021 […]
Basikety 3X3 : hanao lalao fitsapana mialohan’ny Mondial ny Ankoay
Ho fiatrehana ny “Mondial Fiba, 3X3 2023”, taranja basikety, izay hatao any Autriche, ny 30 mey hatramin’ny 4 jona ho avy izao, hanatanteraka lalao fitsapana telo ny Ankoay Madagasikara, amin’ ity faran’ny herinandro ity. Araka ny vaovao navoakan’ ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMBB), roa herinandro ny ekipam-pirenena malagasy no manao […]
Mpanazatra ny Barea : mbola baraingo ny amin’i Fabiano Costa
Araka ny vaovao mandeha tao anaty tambajotran-tserasera Facebook, omaly, i Fabiano Costa, portiogey mpanazatra no handimby ny toeran’ilay Frantsay, Nicolas Dupuis, teknisianin’ny Barea A, teo aloha. Tsy mbola ofisialy anefa izany vaovao izany. Mametra-panontaniana anefa ny rehetra hoe “iza no handoa ny karaman’ity mpanazatra portiogey ity, raha izy tokoa no […]




