Fampiasana angovo maitso ! Manomboka tonga eto Madagasikara ny fiarakodia mitsinjo ny tontolo iainana, mandeha amin’ny herinaratra. Anisan’ny orinasa mpaninjara manana izany karazana fiara izany ny CT Motors, izay misy ny antsoina hoe « hybride », mandeha amin’ny solika sy herinaratra, toy ny marika Haval H6 HEV. Misy koa ny fiara tena mandeha amin’ny herinaratra ranoiray (100%), ny marika Haval ORA.
Ankoatra ireo, misy koa ny fiara mahazatra vaovao, hita ao amin’ny CT Motors. Nambaran’ny tale ara-barotra, Kolo Jean Roberto, fa anisan’ny hiaka farany ny marika Haval H6 GT, ny Haval Dargo, ny Haval Tank 300. Eo koa ny Haval Great Wall, izay manana ny mari-pankatoavana (homologation) eoropeanina. Hita any amin’ny tsena eoropeanina, ny firenena miteny frantsay sy anglisy, ny marika Haval, efa misy eto Madagasikara. Hiantohana mandritra ny telo taona ny fiara mivoaka ao amin’ny CT Motors, mahavita 100.000 km.
Njaka A.




