Nitondra fanehoan-kevitra manoloana ny fitsinjaram-pahefana voiziny ny eo anivon’ny MMM, amin’ny alalan’ny filoha nasionaliny, Andrianainarivelo Hajo. Nambarany fa misy ny hevi-diso amin’ny fandraisan’ny sasany izany.
Tsy mitombina ny filazan’ny sasany fa tsy mahavaha ny olan’ny vidim-piainana sy ny fampianarana, fahasalamana… ny fitsinjaram-pahefana. “Tsy gaga isika raha tra-pahasahiranana satria ny eny Iavoloha sy Mahazoarivo samirery no mandray fanapahan-kevitra”, hoy izy. Nohitsiny fa zary lasa lavitra andriana ny faritra rehetra manerana ny Nosy ary anisan’izany ny eto Antananarivo na heverina ho akaiky ny fanjakana foibe aza.
“Any amin’ny 400 hatramin’ny 800 km mahery ny elanelantany eo amin’ny mpanapa-kevitra sy ny olom- pirenena eny ifotony”, hoy ihany izy.
Sarintsarim-pivoarana
Nanteriny fa maty avokoa ny herijika sy ny finiavana hanao zavatra any amin’ ny faritra rehetra. Ny renivohitra sy ny renivohi-paritany irery no ahitana sarintsarim-pivoarana. Zary lasa “Tany ngazana” ny ankoatra ireo.
Notsiahiviny fa anatin’ny “ran’ny MMM ny fitsinjaram-pahefana”, voasoratra mazava amin’ny fotokevitra ijoroany ary ifampizarana feno amin’ny “Doctrine democrate centriste”, ijoroan’ izy ireo. Namolavola ny lalàna manan-kery ankehitriny tamin’ny taona 2014 rahateo ny depiote MMM. “Nitondranay fanovana maro ny fitsinjaram-pahefana. Iainanay ary hitanay ireo tokony hohatsaraina”, hoy ihany izy.
Synèse R.




