Zatovo mbola miala sakana ny toetra ananan’ny vahoaka malagasy, ka mbola ka fanjakana tokana « Etat unitaire décentralisé » aloha izao no mety amintsika, araka ny nambaran-dRazafiarison Laza. Nambarany fa rehefa matotra ny toe-tsain’ny Malagasy vao afaka miresaka federalisma izany. « Maharitra 200 taona ny fiovan’ny toe-tsaina », hoy izy.
Manolotra safidy roa, fanjakana tokana ahitana ny fitsinjaram-pahefana tena izy sy ny rafitra federaly ny fehinkevitry ny tanora, nikaonandoha teny Ivato, ny sabotsy teo. Hoentina amin’ny fikaonandoham-pirenena izany ary haroso amin’ny alalan’ny fifidianana Lalàmpanorenana, araka ny nambaran’izy ireo.
Iray ao anaty fahasamihafana i Madagasikara, araka ny nambaran’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, tao Manakara, ny sabotsy teo. « Ny antsika mifototra amin’ny fanjakana tokana sy iray ihany « Etat unitaire » ihany ary manohana izany isika Tim », hoy izy. Nanteriny fa hamafisina ny fanomezana fahefana ny eny ifotony.
Misy mikendry tombontsoa manokana sy ambadika ny tsy fandriampahalemana amin’izao fotoana izao, araka ny nambaran’ny filohan’ny Isika mpandresy, Razafimandimby Rija Ethel. « Tanjon’izy ireo amin’izany ny hahatonga ny vahoaka hitroatra sy hilaza fa tsy voafehin’ny fanjakana ny zava-misy. Tokony hampihatra ny lalàna ny mpitondra », hoy izy.




