“Manitsakitsaka ny lalàmpanorenana ny zava-misy. Satria tokony hisy ny lalàna fanitsiana ny tetibola”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Retogniane Durlin, manoloana ny tsy fisian’ny volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana, taona 2023. Mitaraina ny Ceni amin’ny vola voasoratra ao amin’ny lalàna mifehy ny tetibola hahazoana manatanteraka fifidianana. Ahoana àry ny fomba tsy hahazoana manao fanitsiana ny tetibola amin’izay vola tadiavin’ny Ceni, raha tsy misy lalàna fanitsiana? Ho azy, fandikan-dalàna izay. Tena hisy ve ny fifidianana raha tsy misy ny vola tadiavin’ny Ceni?
Sambany no misy fitondrana tsy misy lalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana. “Raha ny fijerinay azy, maka fanapahan-kevitra mitaha amin’ny zavatra hitany amin’ny fiainana andavanandro ny fitondram-panjakana. Tsy misy politika mazava entina hitondrana ny firenena”, hoy izy. Nitarika zavatra maro ka tonga amin’ny tsy fisian’ny lalàna fanitsiana tetibola ny fananganana ny faritra faha-24 Ambatosoa.
Misy fandaniam-bola be dia be ny fananganana faritra vaovao, indrindra ireo fotodrafitrasa voalaza tamin’ny filan-kevitry ny minisitra tamin’ny 7 jona. Mety izany no antony nahatonga ny fitondram-panjakana tsy nanisy ny fanitsiana ny tetibola. Rehefa misy minisitera na andrimpanjakana mitady vola, ohatra, miafara amin’ny filan-kevitry ny minisitra no handraisana fanapahan-kevitra na lalàna mifanaraka amin’ny fampiasam-bola amin’ny fandaniana rehetra atao.
R. Nd.




