Me Razafimanantsoa Hanitra : « Manana ny fiandrianany sy ny safidiny ny Malagasy »

Nandray ny sekretera jeneralin’ny « Organisation des États d’Afrique, des Caraïbes et du Pacifique – OEACP », i Moussa Saleh Batraki ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, omaly. Voatsiahy tamin’izany ny lalan’ny Fanavaozana.

Nitsidika ny minisitra Razafimanantsoa Hanitra, misahana ny fanavaozana, teny Antanina­re­nina, omaly, ny sekretera jeneralin’ny OEACP, Moussa Saleh Batraki. Nambaran’ny minisitra nandritra ny fihaonana ny dingana nolalovana na­hatonga amin’ny fanavaozana eto amin’ny firenena. Notsia­hiviny fa niainga tamin’ireo fitakiana nentin’ny tanora teny an-dalambe tamin’ny volana septambra 2025 izany.  Nitohy tamin’ny fifampidinihana notarihin’ny Capsat, araka ny nambarany. «Mi­orina tanteraka amin’ny fiandrianam-pirenen’i Madagasikara, ny safidin’ny Malagasy, ary mitondra ho amin’ny fanavaozana tena izy», hoy ny minisitra.
Nifampiresahana ny mom­ba ny «Fifanarahan’i Samoa». Rafitra fiaraha-miasa maneran-tany mampivondrona ny Vondrona Eoropeana sy ireo firenena mpikambana ao amin’ny OEACP. Notsindriana ma­nokana ny soatoavina iorenany : anisan’izany ny fanajana ny zon’olombelona, ny de­mokrasia, ny fitondrana tsara tantana, ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fiarovana ny tontolo iainana, ary ny fampiroboroboana ny fandriampahalemana sy ny filaminana.
Hizara traikefa

Nohamafisin’ny sekretera jeneralin’ny OEACP fa mbola mpikambana feno ao anatin’ny fikambanana i Madagasi­kara. « Afaka manohy misitraka ny tombontsoa ateraky ny fiaraha-miombona antoka, indrindra ny fiaraha-miasan’ny samy tatsimo–atsimo (Coopé­ration Sud-Sud). Efa nivelatra nanomboka tamin’ny taona 2019 izany », hoy izy.
Naneho fahavononana ireto iraky ny OEACP ireto ha­nohana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fifanakalozana traikefa sy fifampizarana eo amin’ny dingan’ny fanavaozana sy ny Fikaonandoham-pirenena.

Synèse R. 

Partager sur: